Dans la mme rubrique

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

21/11/2019

Lehilahy iray no hita faty anaty tatatra fandehanan’ny rano maloto teny Iavoloha, teo amin’ny sampanana mihazo ny Lapam-panjakana omaly vao maraina.

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

Hamaky ny tohiny...

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

21/11/2019

Ankizy vavy kely sahabo ho efatra taona no nianjera tampoka teny ambony taksibe teo Anosy omaly maraina tamin'ny 6ora sy sasany. Sady niteny ilay mpamily hoe :

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

20/11/2019

Araka ny fanadihadian'ny polisim-pirenena ao amin'ny kaomisarian' Antsirabe, 10 000 000 Ariary no noheverin'ireo mpamaky fasana tao Ambatomenaloha Tsaravavaka,

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

20/11/2019

Velon-taraina ny olona any Morondava noho ny tsy fisiana fanafidy ao amin’ny Hopitaly Namahora.

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

Hamaky ny tohiny...

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

20/11/2019

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

20/11/2019

Any am-ponjan'ny Mahajanga no miandry fitsarana ilay namono nahafaty ny tovolahy 15 taona izay mpiandry ondry sy osy amam-polony maro.

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

Hamaky ny tohiny...

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kidnapping Maevatanana Ao Mahitsy no fanafenana ny zaza nalaina an-keriny

31/07/2019

Araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena ao Ankazobe, ao Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo no nanafenan’ireo mpaka takalon’aina ilay zaza very efa enim-bolana lasa.

 

 

Nisy tranga mampalahelo ana hala-jaza tany Marotaolana, kaominina Tsiafabositra, Maevatanana ny 2 febroary lasa teo. Nametraka ny fitarainana tamin’ireo manampahefana  any an-toerana ny ray aman-drenin’ity zaza 3 taona very ity. Olon-tsotra no nampita vaovao tamin’ny zandarin’Ankazobe, ny herinandro teo mikasika ny fisitrihan’ilay lehilahy iray voarohirohy tamin’ity raharaha ity tao Antokonana, kaominina Tsaramasoandro, distrikan’Ankazobe. Tra-tehak’ireo mpitandro filaminana tao  tokoa ilay mpanao kidnapping ary nandritra ny fanadihadiana  azy no nahalalana fa nafeniny ao Mahitsy ilay zaza. Rehefa nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’io renivohitry ny atody io ny zandarin’Ankazobe niaraka tamin’io mpaka takalon’aina io dia tra-tehaka tao ireo mpivady izay nitazona ilay zaza.

Tafody ilay zaza telo taona

Nentin’ny mpitandro filaminana nihazo an’i Maevatanana avy hatrany ireto olon-dratsy telo ireto, dia ilay mpaka an-keriny sy ireo mpiray tsikombakomba nitahiry ilay zaza. Marihina moa fa ny kaompanian’ny zandary any Maevatanana sy ny fitsarana ao Maevatanana no efa nadray an-tanana ny fandraisana fitarainan’ny fianakavian’ny lasibatra. Efa naterina any amin’ny ray aman-dreniny ilay zazakely  ary salama tsara raha ny fampitam-baovaon’ny zandary. Mitohy ny famotoran’ny zandary sy ny fitsarana ary hampintaina tsy ho ela eto ny anton’izao fanagiazana zaza izao.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana