Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitakiana karama Voaroaka ny mpiasa 60 teo amin’ny Alliance Française

31/07/2019

Tara ny fandoavan-karama teo anivon’ny Alliance Française Andavamamba raha ny loharanom-baovao vitsivitsy azon’ny mpanao gazety maro omaly. Nitaky izany ireo mpiasa mihoatra ny 60 tamin’ny alalan’ny fanangonan-tsonia.

 

 

Efa ela izy ireo no nitaky ny valin-kasasarany sy ny ho fiakaran’ny mari-karamany manoloana ny andraikitr’izy ireo kanefa heverin’izy ireo fa mikarama vary masaka. Tsy nahitam-baliny hatrany ny fitakiana am-pilaminana miaraka amin’ny zo hafa ka nanapa-kevitra tsy hampianatra izy ireo omaly tolakandro. Noraisin’ny tompon’andraikitra ho hadisoana bevava io ka nivoaka ny didy fa tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha miasa. Fepetra napetrak’ireo tompon’andraikitra mpitantana ny AFT Andavamamba avy hatrany ny fanavaozana fifanekena arak’asa vaovao mialoha ny rahampitso 1 aogositra raha mbola te hanohy ny fampianarana. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany, hampanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ireto mpiasa mihoatra ny 60  ireto ato ho ato. Tsy nandrenesam-peo kosa ireo mpampiasa. Midika izany fa hisedra olana ity ivontoeram-pianarana teny frantsay ity raha ireo mpiasa maro be ireo no indray hiala. Tsiahivina moa fa amin’ny vakansy toy izao no tena mampandeha ny fampianarana sy ny tsena. Ao anatin’ny sata ny tsy fitadiavam-bolan’ny Alliance française saingy vola be no miditra raha ny dingana enina avy ao anatin’ny sokajy A1,A2, B1, B2, C1, C2.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana