Dans la mme rubrique

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

07/04/2020

Taorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay mitaky tsy misy fepetra ny famoahana, dia naneho ny heviny ary nanipika ny UPF (Union de Presse Francophone),

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

07/04/2020

Taorian` ny kabarin` ny filoham-pirenena, izay nilaza fa nitarina 15 andro ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny tany sy ny firenena dia toa lasa fahazarana sisa izany ankehitriny.

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

Hamaky ny tohiny...

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

06/04/2020

Sidina manokana avy any Lafrantsa " Boeing 777" no tonga teny Ivato naka ireo teratany Frantsay sy ireo Malagasy sasany mizaka ny zom-pirenena Frantsay nody any Frantsa ny sabotsy 4 aprily teo .

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

06/04/2020

Manoloana ny fanambarana nataona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny rantsana miady amin’ny “cybercriminalité”

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

Hamaky ny tohiny...

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

06/04/2020

Ny ady amin` ny COVID-19 no mbola ahamehana eto amin` ny firenena.

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

06/04/2020

Fantatro ary tena fantatro tsara i Arphine Helisoa eo amin'ny sehatr’asa fanaovan-gazety, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha, Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

Hamaky ny tohiny...

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

06/04/2020

Mpangalatra omby iray fanta-daza any Antsiranana amin'ny fidirany sy fivoahany ny fonja no mbola nahazo fahafahana vonjimaika nivoaka ny fonjan'Antsiranana indray .

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanalalahana ny fiarahan’ny mitovy fananahana Kotrehina mafy hampidirina ho lalàna indray…

01/08/2019

Tsy azo ekena eto Madagasikara na oviana na oviana ny lalàna manaiky ny fanambadian'ny olona mitovy taovam-pananahana,

 

 

 

 hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa vao andro vitsy lasa izay. Rehefa halefa lavitra ny saina dia toa mampametra-panontaniana ihany hoe : nisy ve ny fikatsahana hanisika io lalàna io hodinihina sy holaniana eny amin’ny antenimieram-pirenena ka ny an’io filohana andrim-panjakana io no nataony tonga aloha ? Tsy tongatonga ho azy ireny, ary mahalala tsiambaratelom-panjakana maro izany filohana andrim-panjakana izany, ka asa na misy andian’olona mety ho olona ambony te hampiditra azy holaniana sy havela ho malalaka eto Madagasikara. Ny firenen-dehibe sasany, dia mivoy an’io ho fahalalahana, ary tsaroana tsara ny kabarin’ny praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau teto Madagasikara ny volana novambra 2016 nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia nilaza fa tokony havela malalaka eto ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender) na ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Ho an’ireo firenen-dehibe mivoy sy maniry ny tsy tokony hisakanana an’io dia voizina, fa mariky ny fahalalahana izany. Na ny kolontsaina Malagasy na ny baiboly eny ny finoana rehetra dia samy tsy mankasitraka an’io avokoa. Foto-kevitra iray iraisan’ny finoana Kristianina sy ny silamo io, saingy mihazakazaka maneran-tany ihany koa amin’izao ny fanapariahana azy io. Misy resaka volabe mihodina mihitsy aza, ary eto Madagasikara dia efa tena manomboka mihazakazaka ny fanapariahana azy io, ka misy tambajotra misy fifandraisany amin’ny any ivelany mampiasa volabe mihitsy hanalalahana ny LGBT. Mety hisy olona any anaty fanjakana ihany koa aza ao anatiny, ka mitetika ny hamela malalaka izany amin’ny alalan’ny fankatoavana araka ny lalàna matoa mivoaka sy miverina indray ity resaka ity.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana