Dans la męme rubrique

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

16/08/2019

Vory lanona nankalaza ny fetim-pireneny teny amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'ny firenena Indianina ireo teratany avy amin'ity firenena ity, omaly tontolo andro.

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

14/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny zoma alina teo, sahabo ho tamin’ny 9 ora mahery, tamin’ny faritra Ankazobe.

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

14/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny mpamatsy basy vita gasy ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II, Toliara , lehilahy iray, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny «Force d’intervention de Police »

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

14/08/2019

Tra-tehaka tao amin'ny kaominina Kiangara ny atidoha nikotrika ny famonoana ilay mpanagom-bokatra toa azy, tamin’iny faritra iny herinandro vitsy lasa izay.

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

14/08/2019

Omaly talata 13 aogositra 2019 tamin’ny 8 ora maraina, raha nanao fisafoana teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 ireo zandary miasa amin'ny Brigade de police routière (BPR) Fianarantsoa dia nahasarona rongony roa sakaosy milanja 20 kg tao anaty fiaram-pitaterana tao Analalova, kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao.

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Poa-basy teny Tsaralalana Polisy nahatifitra tsinahy olona roa

01/08/2019

Fitombenana sy fen’olona roa samy hafa no voatifitry ny basy tsy nahy ana mpitandro filaminana teo Tsaralalana omaly alarobia 31 jolay tolakandro.

 

 

 

 

Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao azo antoka iray dia noho ny fahanteran’ity fitaovam-piadiana ity no nahatonga izany. “Voatifitra tsinahin’ny polisy iray ny olona roa. Basy efa antitra tamin’ny taona 1947 izy io. Anisan’ireo fitaovam-piadiana zokiny indrindra efa tsy fampiasa intsony fa noho ny tsy fahampian’ny fitaovan’ny mpitandro filaminana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana dia mbola maro izy ireny no ampiasaina nefa mampidi-doza toy izao. Tsy mba misy hidiny mantsy izy ireny fa vao misy bala ka voadona na mitontona tahaka ilay omaly dia mipoaka. Sendra ny andro miditra ity polisy iray izay mpiambina mpandraharaha ara-toekarena handeha hamindra vola be. Noho io fitondrana vola io dia efa nofahanana ny basy fa tojo ny patsa iray tsy omby vava”, hoy ny mpitandro filaminana iray.  

Basy efa famotika

Midika izany fa tandindomin-doza ny mpitandro filaminana izay mampiasa azy  ireny, indrindra ny olom-pirenena mifanerasera amin’izy ireny. Azo heverina fa tokony ho anisan’ireo basy hopotehina eny amin’ny lapan’ny tanàna indray koa ny karazan’ity basy ity. Anisan’ny mampintaraina ireo mpitandro filaminana ny kojakojan’izy ireo, tsy ny basy ihany fa ny “menotte” koa. Ny fiara tsy mataho-dalana maro tonga fa ny basy mamono olona tsy manan-tsiny.  Araka ny fampitam-baovao azo farany, nitolo-tena nihazo ny BC avy hatrany ity polisy ity ary eo am-panatanterahana ny famotorana ny tompon’andraikitra. Ankoatra ireo olona roa voatifitra, nisy fitaovana sy fananana hafa ihany koa simba.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana