Dans la męme rubrique

Loza an-dranomasina Avotra ihany ilay mpanarato vaky lakana

20/01/2020

Araka ny loharanom-baovao azo avy any Toamasina, tsy misy ahiana ny ain’ilay raim-pianakaviana izay tsy nahatsiaro tena tanteraka raha tratran’ny fahavakisan’ny lakana teny anivon-dranomasina.

Loza an-dranomasina Avotra ihany ilay mpanarato vaky lakana

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Mandroseza Mamon’ny zava-pisotron’ny fety ny mpamily

20/01/2020

Noho ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola nandritra ny fetim-pianakaviana no nahatonga ny loza teny Mandroseza.

Lozam-pifamoivoizana teny Mandroseza Mamon’ny zava-pisotron’ny fety ny mpamily

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana “BAR” sy “RESTAURANT” teny Ivato Nanjavona ny 10 tapitrisa sy entana sarobidy maro

20/01/2020

Ao anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminan’Ivato mahakasika ny halatra nandratrana olona teny an-toerana.

Fanafihana “BAR” sy “RESTAURANT” teny Ivato Nanjavona ny 10 tapitrisa sy entana sarobidy maro

Hamaky ny tohiny...

Fanadinana polisim-pirenena Ampahafolon’ireo mpiadina no horaisina

20/01/2020

1 150 amin’ireo mpiadina 14 700 no raisina eo anivon’ny polisim-pirenena. Notanterahina ny sabotsy

Fanadinana polisim-pirenena Ampahafolon’ireo mpiadina no horaisina

Hamaky ny tohiny...

Fanisana fitaovam-piadiana 100 ny basy voaisa sy voamarina ara-dalàna isan’andro

17/01/2020

Nandray ny solontena avy eo anivon'ny zandarimariam-pirenena eny amin'ny faritra samihafa ny Jeneraly Rasolonirina Roger,

Fanisana fitaovam-piadiana 100 ny basy voaisa sy voamarina ara-dalàna isan’andro

Hamaky ny tohiny...

Mpifankatia teny Ambohipo Efa nanindry mandry ilay tovovavy ny fahafatesany…

17/01/2020

Telo andro taorian’ny filazan’ilay tovovavy mahakasika ny fitehirizany ny sarin’ny olon-tiany aorian’ny fahafatesana no maty ilay tovovavy iray.

Mpifankatia teny Ambohipo Efa nanindry mandry ilay tovovavy ny fahafatesany…

Hamaky ny tohiny...

Betampona Fenoariavo Atsinanana Nampiakatra ny raharaha ny kandida Rakoto Justin

17/01/2020

Nampiakatra ny raharaha any amin’ny filankevi-panjakana ny kandida N°2 Rakoto Justin, izay efa nambaran’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina fa lany ho ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Betampona any Fenoarivo Atsinanana.

Betampona Fenoariavo Atsinanana Nampiakatra ny raharaha ny kandida Rakoto Justin

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mpianaka maty tao Ikalamavony Lehilahy iray naiditra am-ponja vonjimaika

01/08/2019

Niakatra fampanoavana omaly ilay lehilahy voarohirohy tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana nitory noho ny famonoana an-janany.

 

 

 

 Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary ao amin’ny borigadin’Ikalamavony, ny ao amin’ny kaompanian’i Fianarantsoa no nandray an-tanana ny raharaha. Ny resaka nifanaovana tamin’ny komandan’ity farany no nahalalana fa efa notanana am-ponja vonjmaika ao Fianarantsoa io olona io. Noho ny halavitry ny lalana sy ny fidirana alina teo amin’ny renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony afak’omaly dia omaly alarobia vao niakatra fampanoavana.

Raha iverenana ny tantara, hita faty teo akaikin’ny EPP Tanambao Avaratra, ao Ikalamavony i Dariera ny sabotsy teo. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ity raim-pianakaviana sahabo ho 42 taona ity. Vao tapa-bolana mahery kely lasa izay no nisy namono ihany koa ny zanany ka nampiakatra fitsarana ny raharaha izy. Voasambotra tamin’ny nahafaty ny zanany ny lehilahy teo an-tanàna izay niara-nisotro  ny 10 jolay teo ka nanindrona antsy an’io tovolahy io. Nosamborin’ny fokonolona avy hatrany io lehilahy nahavanon-doza io ary natolotra ny zandary. Nametraka fitoriana ihany koa anefa ny raiben’ilay tovolahy izay voasaringotra  ka samy niaka-nidina teo ny raharaham-pitsarana ary izao niampy tranga hafa izao indray.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana