Dans la mme rubrique

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

16/08/2019

Vory lanona nankalaza ny fetim-pireneny teny amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'ny firenena Indianina ireo teratany avy amin'ity firenena ity, omaly tontolo andro.

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

14/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny zoma alina teo, sahabo ho tamin’ny 9 ora mahery, tamin’ny faritra Ankazobe.

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

14/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny mpamatsy basy vita gasy ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II, Toliara , lehilahy iray, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny «Force d’intervention de Police »

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

14/08/2019

Tra-tehaka tao amin'ny kaominina Kiangara ny atidoha nikotrika ny famonoana ilay mpanagom-bokatra toa azy, tamin’iny faritra iny herinandro vitsy lasa izay.

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

14/08/2019

Omaly talata 13 aogositra 2019 tamin’ny 8 ora maraina, raha nanao fisafoana teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 ireo zandary miasa amin'ny Brigade de police routière (BPR) Fianarantsoa dia nahasarona rongony roa sakaosy milanja 20 kg tao anaty fiaram-pitaterana tao Analalova, kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao.

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Savorovoro eny amin’ny AFT Andavamamba Nanomboka ny fifampiresahana

01/08/2019

Niroso tamin’ny fifampiresahana ireo mpampiasa sy ny mpampianatra eo anivon’ny Alliance française Andavamamba eto Antananarivo na AFT omaly hariva,

 

 

 taorian’ny fampiatoana ny fampianarana afak’omaly ka niteraka savorovoro teo an-toerana. Tsy mbola nisy nipika ny resaka hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao. Mialoha io latabatra boribory io anefa dia nanizingizina ny tompon’andraikitra tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao fa tsy mbola tara ny fandoavana karama ny talata teo, omaly mantsy vao nifarana ny volana ary tsy nisy fe-potoana nipetraka tao anaty fifanaraham-piaraha-miasa mahakasika izany. Voalaza fa nanamaloka endrika ny « alliance française » iny fanapahana fampianarana iny ka noheverina ho hadisoana goavana ho an’ireo mpampianatra ny fitokonana.

Noraisin’ity ivontoeram-pianarana teny sy kolontsaina frantsay ity ho fahatapahana fifanekena arak’asa avy hatrany izany ka ireo izay tsy mamerina mametraka fangatahana asa sy fifanekena vaovao mialoha ny anio dia anisan’ireo efa tsy mpiasa ao intsony. Tetsy an-daniny anefa misy amin’ireo mpampianatra no resy lahatra fa tsy olana karama  irery no notakiana fa ireo zo maro an’ny mpiasa tahaka ny tambin-karama, ny fizakana ny ara-tsosialy sy fahasalamana, ny fampiakarana ny mari-karama izay efa nilaozan’ny toetr’andro raha mitaha amin’ny firimorimon’ny vidim-piainana. Efa betsaka no lazain’ny mpiasa ho fifampiresahana toy izao fa nandamoka hatrany izany ka nahatonga azy ireo nidrikina. Mihevitra ny mpiasa sasany fa fandresena ho azy ireo ny faneken’ny filohan’ny filankevitra hiditra an-databatra boribory mba hanapotsirana ny tsy rariny sy handinihina ity fifanekena vaovao ity.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana