Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra sy fanaovana hosoka Polisy sy mpiasa roa nidoboka am-ponja

05/08/2019

30 000 000 Ariary no tentim-bidin’ny famoahana entana hosoka nataon’ny polisy iray sy ny namany sivily roa ka nampidoboka am-ponja vonjimaika azy ireo eny Antanimora ny zoma 2 aogositra teo.

 

 

 

 

Mbola am-perinasa ity “sous-brigradier de police” ity izay voasaringotra tamin’izao resaka halatra sy fampiasana taratasy hosoka izao. Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no nahalalana fa ny alarobia faran’ny volana jolay teo izy sy ny namany roalahy izay mpiasa tao amin’ilay orinasa no nikasa hangalatra entam-barotra iray fiara ka nampiasa “bon de livraison” tsy tena izy mba hamoahana fiara vaventy. Ireo mpiasa roalahy ireo no nikarakara ilay taratasy hosoka ary ilay polisy no mody natao ho mpividy ka nitondra kamio hakana izany. Niantso ireo manampahefana avy hatrany ny tompon’orinasa raha vao nahatsikaritra izany ka nisambotra ireto telo lahy ireto. Ankoatra ny vesatra fiampangana fikasana hangalatra sy firaisana tsikombakomba tamin’ny taratasy hosoka izay anenjehana ity polisy ity eny amin’ny fitsarana, efa niroso ihany koa tamin’ny fanadihadiana anatiny sy ny fampiharana ny sazy henjana mifandraika amin’ny fitsipi pitondrantena ny teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka. Nanamafy ny minisitra mpiahy, CGP Roger Rafanomezantsoa fa tsy ijerena arina an-tava ny fanatanterahana ny fanajana ny fitsipika eo anivon’ny polisim-pirenena.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana