Dans la męme rubrique

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

15/11/2019

Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

15/11/2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

Hamaky ny tohiny...

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny TanĂ -Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny TanĂ -Masoandro

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

14/11/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

13/11/2019

Nisongadina indray ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, indrindra ho an’ny ankizy sy ny mahakasika ny vehivavy.

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualités

LalĂ na mifehy ny serasera Halalaka tokoa ve ny asa fanaovan-gazety ?

06/08/2019

Notaterina ampahibemaso omaly ny fehin-kevitra teo anivon`ny minisiteran`ny serasera sy ny kolontsaina ka tapaka fa tsy hanova izay fehin-kevitra rehetra niarahana nanapaka nandritra ny fakan-kevitra

 

 

 

isam-paritra momba ny lalàna mifehy ny serasera ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ankehitriny, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Teboka valo amin`ny ankapobeny no nisain`ny fanovana ny fanitsiana ary nesorina tanteraka mihitsy tao anatin`ilay lalàna mifehy ny serasera. Anisan’izany ny fanamorana ny fahafahan’ny mpanao gazety mahazo an’ireo taratasy azo atao porofo, eny anivon’ireo sehatra ara-panjakana, ny momba ny fitandroana ny fiainana manokan’ny olona, ny momba ny fanomezana alalana hisokatra ho an’ireo haino aman-jery, izay lasa gaboraraka, ny fanasarahana ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) amin’ny Fanjakana mba tena hananan’ny mpanao gazety fahalalahana amin’ny asany… Raha tsiahivina ny taona 2016, vokatry ny fanapenam-bava sy ny teritery tamin`ity asa fanaovan-gazety ity dia niafara tamin`ny tolona ho an`ny fahalalahana nataon`ny Hetsika ho an'ny fahalalahana maneho hevitra (MLE). 1 121 andro omaly no nandanian’ny Antenimiera roa tonta an’ilay fitsipika mifehy ny serasera amin'ny haino aman-jery (Code de la communication Médiatisée). Anisan’ny lohandohan’ny mpisorona tao ny minisitra. Nandritra ny fandraisam-pitenenany moa dia nilokaloka izy fa tsy hanova an’ireo izay niarahana nanapaka ary hanohana ny fampandaniana an’ity lalàn’ny serasera amin'ny haino aman-jery ity. Naverina tao ireo andininy nesorin`ny mpanatanteraka tamin`ny fotoan’androny sy ny Antenimiera roa tonta tamin`izany nefa niadivana tao anatin`ny famolavolana niarahana tamin`ny sehatry ny firenena mikambana. Tanjona, hoy ny minisitra  ny haha matihanina ny asa fanaovan-gazety  saingy miantoka ny fahalalahan`ny asa izany. Faritra 6 no nanatanterahana an’ity fakan-kevitra ity ka nisy ny fanovana sy fanitsiana an’ilay fitsipika (code) teo aloha, izay navadika ho lalàna. Andrasana izay holazain'ny filankevitry ny minisitra. Iza ihany koa no olona mety hanana olana raha lany tokoa ity lalàna mifehy ny serasera vaovao ity ? Ahoana ny hoavin`ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ? Hifanaraka amin`ny zotran`ny fanoratana ve (ligne éditoriale) ireo haino aman-jery tsirairay ? Andrasana ihany koa ny fanapahana avy amin`ireo antenimiera roa tonta handany an`io lalàna io.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana