Actualits
Serasera sy haino aman-jery “Mila lalan-tsaina filozofika fa tsy lalàna fotsiny”
06/08/2019
Isaorana ny tao anatin’ny minisitera nanana finiavana nitondra fanavaozana.
Ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy rahateo, dia anisan’ny niaraka teny an-kianja tamin’ny fitakiana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, hoy ny mpanao gazety Jesy Rabelaolao manoloana ny fampahafantarana ny volavolan-dalàna mikasika ny lalàna mifehy ny serasera omaly. Tsotra ny azy ny heviny : rehefa avy mandinika sy mamakafaka vao tena haneho ny heviny na mety io na tsy mety. Efa zokinjokiny ihany aho raha ny asa fanaovan-gazety no resahina satria 40 taona no naha mpanao gazety ary hatramin’izay ka hatramin’izao dia ao anatiny foana, ary efa im-balo voasambotra, hoy izy. Nisy zavatra betsaka niainana teto, ka indraindray voantso tamin’ny fananganana ny fehezan-dalàna mikasika ny asa fanaovan-gazety, ary indraindray tsy voaasa mihitsy. Tamin’ity aho dia tsy nahalala mihitsy ka handinika aloha, hoy izy. Aza adinoina fa samy hafa ny asa amin’ny maha ianao any anaty fitondram-panjakana sy ianao am-perinasa amin’ny fanaovan-gazety, hoy ny fanamarihana nataony. Notsiahiviny rahateo, fa betsaka izay volavolan-dalàna izay satria miaina ny lalàna. Misy rahateo ny lalàna fa ao ihany koa ny sehatra sy ny lalan-tsaina filozofika, hoy izy.
Toky R