Dans la mme rubrique

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Paositra Andranonahoatra Manjavozavo ny fahaverezan’ilay 100 tapitrisa ariary

06/08/2019

« Mbola manjavozavo tanteraka ny fahavakisan’ny biraon’ny paositra izay nahaverezana vola be 100 000 000 Ariary hatreto», hoy ny mpitandro filaminan’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena Itaosy.

 

 

 Araka ny fanampim-baovaon’ny zandary hatrany :  «Nandritra ny fanadihadianay ireo mpanao lalana sy mpiasam-panjakana eo amin’ny manodidina ary ny mponina eo an-toerana dia samy nilaza izy ireo fa tsy nahatsikaritra olona niditra tao amin’io toerana io. Mbola eo am-pikarohana izay tena atidoha nikotrika hatreto fa ampintaina amin’ny mahamety azy ny vaovao

Raha tsiahivina, araka ny fampitam-baovao ofisialin’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana,  voalaza fa nisy jiolahy niditra an-tsokosoko tao amin’ny biraon’ny Paositra Andranonahoatra ny alarobia faran’ny volana jolay teo. Nampandre ny zandary teny amin’ny faritra ny mpiambina sahabo ho tamin’ny 5 ora sy fahefany hariva. Nidina nanatanteraka ny fizahana ifotony avy hatrany ny zandary eo amin’ny Borigady Itaosy. Manodidina ny 100 tapitrisa ariary no vola nanjavona raha ny  filazan’ny mpiasan’ny paositra.

Nibanaka ny varavarana

Misy “camera de surveillance” eo amin’io biraom-panjakana io fa saingy tsy mitahiry sary izany. Efa lasa nody tamin’ny 4 ora sy sasany avokoa ny mpiasa rehetra. Nivoha ny varavarana kanefa tokony ho nihidy “vérouillée” niaraka tamin’ny birao. Voalaza tamin’izany fa olon-droa no niditra tao nefa tsy nisy naheno. Ny fitohizan’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no hamaritra ny tena zava-misy marina.

Haja Nirina

Voalaza fa nisy olon-droa niditra tao amin’ny paositra Andranonahoatra - Itaosy  kanefa tsy nisy nahatsikaritra izany

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana