Dans la mme rubrique

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Hetsika “Sesam 2019” Hotanterahina etsy amin’ny Parvis Analakely

06/08/2019

Raikitra fa etsy amin’ny Parvis Analakely indray no hanatanterahan’ny fikambanana Seho Events ny andiany faha-2 amin’ny hetsika Sesam “Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux” amin’ny 09,10 ary 11 aogositra 2019 ho

avy izao manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva tsy miato. Hisy ny fampirantiana an’ireo mpisehatra an’izany Sports Extrêmes maromaro izany toy ny Parapente, Roller, Freestyle football sns… izay efa nandray anjara tamin’ny taon-dasa ary hisy ihany koa ny tranoheva maromaro hampahafantarana sy hahazoan’ny mpijery miatrika voalohany “Initiation” taranja haiady miisa 12  (Artema, Kempo, Kuk Sool, Taebo, Taekwonndo Itf sns…). Nambaran’ny mpikarakara tetsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny zoma 02 aogositra 2019 fa ny tanjona nanaovan’izy ity hetsika ity dia ny hampandrosoana ny fanatanjahantena Malagasy sy ho fanabeazana ny tanora ary ho fialam-boly ho azy ireo ihany koa mba tsy ho voasariky ny zavatra tsy mahasoa eo amin’ny fiainana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana