Dans la mme rubrique

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

16/08/2019

Lanonana telo sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny alarobia 14 aogositra 2019 teo, dia ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny DRH (Direction des Ressources Humaines),

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

Hamaky ny tohiny...

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

05/08/2019

Tratra ny jiolahy miisa 5 naka an-keriny zazalahy 12 taona tany Betela Morarano Kraoma, distrikan’Amparafaravola ny harivan'ny 16 jona 2019.

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

Hamaky ny tohiny...

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

30/07/2019

Nisy nikasa hiditra an-keriny ny toerana nanagiazan'ny kaominina ireo omby azo avy any Soahazo Mangalahy. Ny sabotsy lasa teo no tsikaritra fa nisy nanapitsoka ny toerana nitazonan’ny kaominina Betroka ireo omby saron'ny zandary ireo.

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

Hamaky ny tohiny...

Ratsimindriona Aida Hardy « Folo isan’andro ny fasana vaky any Taolagnaro”

29/07/2019

“Laharam-pahamena ny ady amin`ny tsy fandriampahalemana » hoy Rtoa Ratsimindriona Aida Hardy, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Taolagnaro.

Ratsimindriona Aida Hardy « Folo isan’andro ny fasana vaky any Taolagnaro”

Hamaky ny tohiny...

Soahazo Ivahona distrikan’i Betroka Rava ny tanàna noho ny famitahan’ny dahalo ny zandary

12/07/2019

Mitaky fanadihadiana tsy mitanila avy amin’ny fanjakana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ny fianakavian’ireo maty notifirin’ny zandary tao Soahazo,

Soahazo Ivahona distrikan’i Betroka Rava ny tanàna noho ny famitahan’ny dahalo ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-jiolahy Olona roa maty voatifitra, telo naratra

09/07/2019

Nisehoana asan-jiolahy indray tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, ka nahafatesana sy nandratrana olona.

Fanafihan-jiolahy Olona roa maty voatifitra, telo naratra

Hamaky ny tohiny...

Ambodin’Isotry Vehivavy iray nitondra entana nobatain’ny mpanendaka

25/06/2019

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona, nitondra poketra sy entana maromaro teny an-tanany omaly maraina no nobataina mpanendaka telo mirahalahy tetsy Ambodin’Isotry.

Ambodin’Isotry Vehivavy iray nitondra entana nobatain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

08/08/2019

Na tsy mbola fantatra aza ny tena daty ofisialy dia naman’ny azo lazaina foana hoe akaiky ny fifidianana ben’ny tanàna. Be ny zava-nanaitra teo amin’ny tontolo politika tato ho ato.

 

Manomboka maneho fanoherana amin’ny alalan’ny tsy fanekena fikitihana lalàna tsy nihatra ny antoko Tiako I Madagasikara. Samy nafahana madiodio tamina raharaham-pitsarana iray avy ny mpandraharaha  Mbola Rajaonah sy ny mpanao politika, filohan’ny fikambanana Za’gasy, Jean Navandahy Ratiharison, ary samy mbola voatazona noho ny raharaha hafa koa anefa. Manomboka heno ho misy fivoriana politika mikaton-trano samihafa etsy sy eroa. Eo ny HFI, ny hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny halabato sy ny hoso-pifidianana, antoko politika sy vondrona ary fikambanana politika samihafa. Manomboka mipoitra koa ireo mpanao politika nanidy vava sy efa adinodino tao anaty volana maro toy ny filohan’ny FEDEP, Henri Rakotomalala na Riribe. Mety hipoitra hanaraka azy ireo tsy ho ela koa izany ireo mpiaradia toa an-dry Alain Andriamiseza sy ry Tolojanahary Maharavo na Doudou.

J. Mirija

Legend= Mba lasa aiza marina ary ?

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana