Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antananarivo Renivohitra Iza no ho kandidàn`ny IRD ?

09/08/2019

Iza ary no ho kandidàn’ny vondrona IRD (Isika miaraka amin`I Andry Rajoelina) ho ben`ny tanànan` Antananarivo Renivohitra ?

 

 

 

Tsy mbola manana kandidà tena afaka hifaninana izy ireo ka mety noho io antony io ihany no mampitarazoka ny fifidianana. Raha ny eto Antananarivo Renivohitra dia anjaran`ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Voaporofo tamin`ny fifidianana filoham-pirenena farany teo fa nitarika tamin`ny isam-bato 58, 86% i Marc Ravalomanana teto Antananarivo Renivohitra. Ny filoha Rajoelina nifaninana taminy aza tsy nahazo afa-tsy 29,52%. Ny fihodinana faharoa dia mbola nitarika tamin`ny  isam-bato 61,31%  izy ary 35,69% ny vato azon`i Andry Rajoelina. Teo amin`ny fifidianana solombavambahoaka, saika tsy latsaky ny 40%  ny salanisan’ireo kandidà TIM tao amin`ireo boriborintany enina. Marihina fa ity antoko ity dia efa niomana fatratra amin`ny fifidianana ben`ny tanàna ary nivoitra tamin`ny kaongresin`ny antoko fa mety ho i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin`ny antoko no ho kandidà. Tsy mbola misy aloha ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Ity filoham-pirenena teo aloha ity anefa dia hita matetika manao fidinana ifotony mijery ireo fokontany ary manao sarintsarina fampielezan-kevitra. Mitodika any amin`ny vondrona IRD ny mason`ireo mpanara-baovao. Raha ireo resaka mandeha dia i Augustin Andriamananoro no ho kandidàn`ny fitondrana. Nivoaka ny feo fa mety ho ao koa ny minisitry ny fanajarina ny tany, Hajo Andrianainarivelo. Araka ny loharanom-vaovao kosa dia mirona any amin`ny vehivavy ny filoha Rajoelina. Voaresadresaka i Rinah Rakotomanga, talen`ny seraseran`ny fiadidiana ny Repoblika. Eo ihany koa ny solombavambahoakan`i Madagasikara, Lanto Rakotomanga. Mety mbola ho Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, izay efa kandidà ben`ny tanàna tamin` ny fifidianana 31 jolay 2015, ve no hotohanana ? Tsiahivina fa laharana faharoa ity minisitry ny serasera ity tamin`izany taorian`ny ben`ny tanàna Lalao Ravalomanana. Raha ireo voalaza ireo dia mety ho i Mialy Rajoellina no olona tokana hifanentana ho kandidà hifaninana eto Antananarivo Renivohitra. Noho izany, hisafidy ireo mpiara-miasa akaiky azy ve ny filoham-pirenenasa hitady olom-baovao mety ho tian`Antananarivo ? Sa hisokatra ka hanohana kandidà hafa amin`ireo milaza ho kandidà ? Azo antoka aloha fa hanana kandidà ben`ny tanàna amin`ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy  ny IRD ary milaza fa handrakotra izany izy ireo.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana