Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Biletà tokana Hatonta eto Madagasikara amin’izay ?

09/08/2019

Mety hiakatra 60 miliara ariary ny fanotana ireo biletà tokana ampiasaina amin`ny fifidianana ben`ny tanàna. Biletà roa isaky ny mpifidy mantsy no ampiasaina raha oharina amin`ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.

 

 

 Marihana fa 1 dolara isaky ny biletà tokana ny saram-panotana tany Afrika atsimo. Ankoatra ny tetibolam-panjakana hamatsy amin`ny fanotàna ireo biletà tokana ny saram-pilatsahan-kofidiana takiana amin`ireo kandidà rehetra. Izany no nampiakatra ny saran`ny firotsahan-kofidiana izay nahitana 400% hatramin`ny 800%. 5 tapitrisa ariary ohatra ny saran’ny filatsahan-kofidiana amin`ny fifidianana ben`ny tanàna eto Antananarivo ary manodidina ny 2,5 tapitrisa ho an ìreo kaominina manerana ny nosy, arakaraka ny sokajiny. Fantatra aloha fa mety eto Madagasikara no hanotàna ireo biletà tokana ary rehefa manomboka ny fampiantsoana ny mpifidy avy amin`ny governemanta no ahafahana manao tolo-bidy ho an`ireo orinasa hanatanteraka izany.  Mampanahy ihany ny fanatontàna ireo biletà tokana eto amintsika. Matoa natonta tany Afrika Atsimo nandritra ireo fifidianana nifanesy dia mba hisorohana ny mety ho hosoka na ny fisian`ny biletà voamarika mialoha. Noho izany, ho toy ny fifidianana solombavambahoaka ihany koa ve ireo ? Izany hoe, tsy nitovy ny endrika nisehoany manerana ny distrika 119 fa natao arakaraka ny isan`ny mpirotsa-kofidina ao amin`ny distrika.  Marihana fa nandritra ireo fifidianana nifanesy dia nisy ireo tranga hafahafa niseho toy ny fahatrarana biletà tokana. Ohatra, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa, nisy ireo biletà tokana miisa 400, teny amin` ny birao  fandatsaham-bato iray eny Ambohipo,  naterin`ireo mpomba ny kandidà iray teny amin`ny foiben-toeran`ny CENI, izay navoaka nialoha ny fotoana. Voalaza fa nisy nanatitra teny amin`ny foiben-toeran`ny mpomba kandidà iray ireo biletà tokana ireo ny  alin`ny talata 18 desambra 2018, ka avy hatrany dia naterina teny amin`ny CENI niaraka tamin`ny vadintany ireo antontan-taratasy. Resaka fanontàna hatrany fa araka ny loharanom-baovao voaray dia lany ireo “imprimè” hanaovana kara-panondro-pirenena (CIN) eny amin`ny Trano Printy nasionaly. Nisy anefa tranga kara-panondrom-pirenena hosoka hita maso nandritra ny fotoam-pifidianana ny fisian`ny fandatsaham-bato. Tsy mbola voaresaky ny filankevitry ny minisitra ny momba ny fiantsoana ny mpifidy hiatrika ny fifidianana ben`ny tanàna ka antenaina mba ho fifidianana tena demokratika ny fiatrehana izany.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana