Dans la mme rubrique

Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Hanafaingana ny fomba fiasa ny teknolojia avo lenta

20/09/2019

Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) mandritra ny 3 taona no notanterahina tetsy Ambohidahy omaly.

Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Hanafaingana ny fomba fiasa ny teknolojia avo lenta

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Mandroso ny asa fanamboaran-dàlana sy làlankely

20/09/2019

Mandroso ny asa fanamboaran-dalana sy lalankely ao Betafo Ambohimandroso sy Ambodivonkely boriborintany faha-6;

Antananarivo Renivohitra Mandroso ny asa fanamboaran-dàlana sy làlankely

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa 930 Hiatrehana ny loza voajanahary

20/09/2019

Notoloran’ny Fondation Telma fitaovana manaraka ny toetrandro ny fikambanana Medair hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa 930 izay ahafahana manaitra mialoha ny olona raha sendra tojo loza voajanahary.

Tetikasa 930 Hiatrehana ny loza voajanahary

Hamaky ny tohiny...

Farihin’Anosy Efa tsy matahotra intsony ny mpanarato

20/09/2019

Tsy tahotra tsy henatra ny an’ireo olona manarato etsy amin’ny Farihin’Anosy toerana hivarinan’ny rano maloto avy amin’ireo faritra manodidina azy eto Antananarivo.

Farihin’Anosy Efa tsy matahotra intsony ny mpanarato

Hamaky ny tohiny...

Fiahiana ara-tsosialy CNaPS – SASS Notohizana tany Andapa ny fampiofanana

20/09/2019

« Aoka ny hasasarany ho azony araka ny fifanarahana », hoy ny inspecteur de travail Randrianarijaona Charles Emilson lehiben’ny sampandraharaha SASS (na service d’Action Sanitaire et Sociale) eo nivon’ny CNaPS tao Andapa tamin’ny fanombohana ny fampianarana momba ny Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy.

Fiahiana ara-tsosialy CNaPS – SASS Notohizana tany Andapa ny fampiofanana

Hamaky ny tohiny...

Tale jeneralin’ny UNICEF “Tandindonin-doza ny ankizy maneran-tany”

18/09/2019

Tao anatin’ny taratasy misokatra miantefa amin’ny ankizy maneran-tany no nambosahan’ny Tale jeneralin’ny UNICEF Sampandraharaha iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy, Rtoa Henrietta H.

Tale jeneralin’ny UNICEF “Tandindonin-doza ny ankizy maneran-tany”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana FILEFA “Tsy mpisoloky izahay fa mijoro ara-panjakana”

18/09/2019

Nanambara ny olana nosedrainy tany Moramanga, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny FIkambanan’ireo olona LEo ny FAhantrana (FILEFA) Atoa Razafindrakoto Gérard, omaly.

Fikambanana FILEFA “Tsy mpisoloky izahay fa mijoro ara-panjakana”

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fanotofana tany, famatsiam-bola Main’ny afo natsangany i Rajoelina

09/08/2019

Nohenjehin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy mpanao politika ekipany i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2008 momba ilay tetikasa goavana fampanofana tany amin’ny

 

orinasa Koreanina Daewoo Corporation. Fambolena katsaka sy “palmier” hahazoana menaka no saika hataon’ilay orinasa, izay nisy fampiasam-bola 6 miliara dolara sy famoronan’asa 70 000. Nosakanana sy natao fitaovana nentina nanonganam-panjakana io. Nilaza mihitsy i Andry Rajoelina ny 10 febroary 2009, tao amin’ny gazety Jeune Afrique fa “ny Daewoo, dia anisan’ny mampalahelo ny vahoaka. Manameloka ny fifanaovan-tsonia aho ary ny governemanta sy ny filoham-pirenena indrindra indrindra. Araka ny fomban-drazana, voarara ny famarotana na fampanofana tany amin’ny vahiny”. Resa-be tsy nety vita isan’andro ny fivoizana an’io, ka tena nampangaina hoe mpamadika tanindrazana i Marc Ravalomanana. Izao ho avy ny tetikasany “Tanamasoandro”, izay mpanam-bola vahiny no andrasana hamatsy an’io. Efa nanasa ny lohan'ny olona 10 taona lasa i Andry Rajoelina dia izao anefa tsy te hahalala ny fanoherana sy fankasitrahan’ny olona fa miantehitra amin’ny fanilihana ny olona amin’ny taniny noho ny filan’ny fanjakana ny tany na “expropriation pour cause d'utilité publique”. Raha hanao fampitahana anefa isika, dia tany tsy mbola voajary no saika hampiasain’ny Daewoo tamin’ny ankapobeny, raha tanin’olona efa voajary ny 1000Ha hototofan’ny fanjakana hanaovana ny Tanamasoandro. Tsy misy tsy miverina ny zavatra nanakianana sy nanenjehana ny fanjakana tamin’izany. Azo tsaraina amin’ny teniny ny filoha ankehitriny hoe: marary amin’ny olona ny taniny, ka na iray metatra tora-droa aza no kitihina eo, dia mety hanahirana sy tsy hahafaly ny vahoaka. Manomboka miverina aminy ny nataony. Asa aloha izay hiseho fa mifototra amin’ny fampiasana volabe ny politikan’ny fanjakana na hampiasa hery hamonoana afo eo anatrehan’ny toe-javatra mafampana. Mafy fototra ny fitondrana Arema sy TIM fa nirodana. Ny Fanjakana Rajoelina sy ny MAPAR tsy mafy fototra noho ireo ary matetika no diso famindra sy hita hoe manao zavatra tsy am-piheverana loatra .

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana