Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Praiminisitra Ntsay Christian “Mila hatsaraina ny fampidiram-bolam-panjakana”

09/08/2019

Tokony hisy ny fanovàna eo amin’ny fomba fitantanana indrindra fa ity ministera ity, izay miandraikitra ny fitantanana sy ny fampidiram-bola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana

 

 , mba hisian’ny fandrindrana maty paika eo amin’ny fomba fiasan’ny governemanta sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Richard Randriamandranto sy ireo mpiara-miasa aminy. Ilaina ny fanafainganana ny fikarakarana ireo atontan-taratasy mikasika ny fandaniana sy ny fampindiram-bola eo anivon’ny fanjakana, fanatsarana izay atao mifanaraka amin’ireo rijan-teny mifehy izany, ka ezahina ny hanatrarana ny taham-pampiasam-bola ho an’ny tetibola 2019 ho 100% raha mbola 30% izany amin’izao fotoana izao, indrindra ny famatsiana ireo tetikasa laharahampahamehana. Mifanindran-dàlana amin’izany ny fanaraha-maso ny fampiasana volam-panjakana, indrindra ny tsenan’ny asam-panjakana. Mila jerena ihany koa ny fanatsarana ny fampidiram-bolam-panjakana. Tokony hampidirina amin’ny sehatry ny ara-dalàna ireo seha-pihariana , toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany madinika sy ny fambolena ireo vokatra fanondrana, misy ny hetra alohan’izy ireny saingy tsy miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, fa kosa mila tamberin’andraikitra amin’ny fampandrosoana ireo toerana ahitana izany. Ho an’ny fadin-tseranana indray dia tokony hafainganina ny famoahana ireo entana mba hampaharisika ireo mpandraharaha ka hampiroborobo ireo orinasa mpanafatra entana ary hampihena ny vidin’entana tonga eny amin’ireo mpanjifa, indrindra fa ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Mikasika ny « e governance », dia nambaran’ny Praiminisitra ny fahitana fa efa miditra amin’ny fanatsarana ny fitantanana amin’alalan’ireo fampiasana ny rindram-baiko samihafa isika ankehitriny,…

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana