Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Herisetra ara-nofo Mpianatra 11 taona naolan’ny tovolahy iray

09/08/2019

Zazavavy avy nianatra naolana tovolahy iray raha norebirebeny nanakalo vola ireo roa vavy namany.

 

 

 Tao Antamboho, fokontany Antoby, Betsinjaka, ao Toliara faharoa, ny alakamisy 2 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro no nisehoan’ny asa ratsy. Tovolahy iray no fantatra fa nanolana zazavavy kely 11 taona avy nianatra. Araka ny fanadihadiana natao dia telovavy izy ireo no niaraka ka nifanena tamina tovolahy iray teo an-tanàna ihany. Nirahin’ity tovolahy ity nanakalo vola ireto zazavavy ireto ka nambarany fa ny roa amin’ireo zazavavy ihany no manakalo vola fa ny iray kosa miara-mijanona aminy.

Rehefa nijanona niaraka taminy  ilay zazavavy kely 11 taona dia nentiny naka toerana mangingina ka nalavony tamin’ny tany  ary natsofony  tany amin’ny  fivavian’ilay zazavavy ny tanany.  Rehefa  vita moa ny nataony dia nalefany nandeha ilay zazavavy. Nony tonga tany an-trano ilay zazavavy kely dia nitantara ny nahazo azy  ary tsy nisalasala ny ray aman-dreniny niantso ny polisy sy napandre ny fokonolona ny tranga nahazo ny zanany. Ny zoma 3 aogositra  no voasambotra ilay tovolahy ka rehefa natao ny famotorana azy dia niaiky ny heloka nataony izy. Efa natolotra ny fitsarana any an-toerana ny raharaha.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana