Dans la mme rubrique

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tonelina Ambohidahy Potika ilay taksi nifandona tamin’ny taksibe

12/08/2019

Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina teo amin’ny tonelina Ambohidahy omaly maraina sahabo ho tamin’ny 4ora sy sasany. Fiara lehibe sy kely samy mpitatitra olona no nifandona. Potika tanteraka

 

 

 

 

ilay fiarakaretsaka raha nifanatrika tamin’ilay taksibe. Araka ny voalazan’ny nanatri-maso dia nisy fahavoazana ihany koa ilay fiara fitateram-bahoaka. Talanjona ireo mpandalo nahita fa hosokirina tao ilay mpamily taksi kinanjo samy tsy nisy naratra ny roa tonta. Nanamafy izany ny mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana eo Tsaralalana fa rehefa tsy misy maratra toy izao dia tsy mampandre ny polisy izy ireny. Raha ny filazan’ny nanatri-maso, vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily no nahatonga ny loza. Samy nandeha mafy izy ireo, saingy ilay taksi nikasa hisongona fiara hafa kanefa ity farany ihany koa tsy nanaiky fa vao mainka nitrifana ka izao niafara tamin’ny fahasimban’ny fitaovam-pitaterana izao. Samy niezaka nanitsaka mafy ny tsako kodiarana izy ireo saingy noho ny firimorimo dia niafara tamin’ny fifandonana ihany. Tsikaritry ny mponina Antananarivo fa rehefa alina dia mandeha mafy ireo fiara mpitatitr’olona eto an-drenivohitra. Andrasana ny fampiasana ireo teknolojian’ny fanaraha-maso.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana