Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanotofana ny lemak’Ambohitrimanjaka Aza potehina ny fiainam-bahoaka, hoy ny Depiote Rodin

13/08/2019

Efa tamin’ny andron’ny Itompokolahy Pr Zafy Albert no niketrehan-dRaboanarijaona Holijaona an’io IEM io, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimimamo Rakotomanjato Rodin.

 

 

 Niditra indray ny filoha Rajaonarimampianina, ary tsy lany tato amin’ny antenimieram-pirenena izany, hoy izy omaly teny Tsimbazaza. Mitovy ny tany Antsiranana sy Toliara samy nanaiky ny tsy hivarotana ny tany. Efa tantara tany amin’ny taona 1991 tamin’ny andron’ny herivelona io nentin’io olona notononiko io, dia maninona no kotrehina eto sy mbola entina eto ihany ? Iza no hamatsy an’io, ary io tsy Ambohitrimanjaka irery no velomin’io fa hatraty Ambohimanarina no tompon’ireo tanimbary hototofana ? Maninona ny tanimbarin’olona no potehinao kanefa ianao angaha mahavatsy an’ireo ? Tsy tokony hohadinoina fa Ambohitrimanjaka sy io Betsimitatatra io manenjika ny maitso ahitra ka iza no hiahy ny fiainam-bahoaka ? Maninona no hoe tsy maintsy Ambohitrimanjaka ? Mba jereo ny any ivelany toa an’i Thailand fa ny tendrombohitra no potehina sy harenina, hoy ity solombavamvahoaka avy amin’ny TIM ity. Ireny no tsy misy olona ka ireny totofana ka na 20 000 hektara aza tsy maninona. Aza potehina ny fiainam-bahoaka, hoy izy. Momba ny fiasan’ny fanjakana sy programany dia nambaran’io depiote io ny herinandro teo nantsoina tany Miarinarivo izy ireo nahitana mpitantana ao anatin’ny 54 kaominina hanomanana ny IEM ka gaga aho, hoy izy. Fa maninona indray no izao vao atao fa angaha tsy efa nokotrehina tany andafy sy naseho tamin’ny propagandy ? Izao vao samy gaga ny rehetra satria nantsoina ny ben’ny tanàna hoe: inona ny avy aty aminareo hanaovana ny IEM kanefa lasa miitatra ohatra ny sima misioka, izay midika tsy fahamatorana, raha ny nambaran’ity depiote ity.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana