Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kidnapping teny Ampefiloha Olona 2 no voasambotra hatreto

13/08/2019

Mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, roa tamin’ireo mpaka an-keriny no efa tra-tehaka.

 

 

Nitrangana fakana an-keriny sy fandrahonana mantsy teo Ampefiloha ny herinandro lasa teo. Manoloana ny Lisea moderna Ampefiloha na LMA no tonga nanery ny raim-pianakaviana iray hanaraka azy ny tovolahy telo, sahabo ho tamin’ny 6 ora sy sasany ny harivan’ny 6 aogositra teo.

Nisaron-tava avokoa ireo olon-dratsy ka tsy fantatry ny manodidina. Norahonan’izy ireo ho faty ilay lehilahy, araka ny fampitam-baovaon’ity farany, raha tsy manao sonia antontantaratasy. Fikasana fakana an-keriny ny taniny sy ny fananany maro no votoatin’izao fanerena hanatanteraka rangopohy izao.

Fanararaotam-pahefana

Ankoatra ny anaran’ireo mpanery hanao sonia, misy anarana hafa ihany izay olona mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena koa tao anaty taratasy, raha ny fampitam-baovaon’ny lasibatra sy ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Nentin’ireo jiolahy nihiboka teny Ankorondrano izy ary ny ampitso maraina tamin’ny 7 ora vao navotsony.

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny roa tamin’ireo mpaka an-keriny, taorian’ny fikarohana sy ny asa fitsikilovana notanterahin’ny zandary. Mbola karohina ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo, indrindra ny atidoha nikotrika ny kidnapping. Ao anatin’ny fanadihadiana sy ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana, raha ny resaka nifanaovana tamina tompon’andraikitra iray.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana