Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitafiana tsy ara-dalàna Mandeha ny tsenan’ny akanjo mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana

13/08/2019

Mahazo vahana ny varotra ireo akanjo mitovy amin’ny miaramila tato ato ary voalazan’ny mpivarotra fa tsara ny tsena.

 

 

 Raha ny fanambaran’ireo tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny mpitandro filaminana anefa dia mbola manan-kery hatrany ny lalàna mandrara ny fiakanjoan’ny olon-tsotra ireny.. Samy ahitana ireny avokoa na ny eny amin’ny lamba vao, tahaka ny zaitra an-tsena, indrindra amin’ireo mpivarotra lamba tonta. Maro amin’ireo mpivarotra no manararaotra ny faran’ny  herinandro sy ny ora tsy fiasan’ireo manampahefana, indrindra ara-miaramila sy polisy mba

handafosana ireny. Mpivarotra iray no nanambara fa tsy atao ankarihary fa somary miamboho arabe na takonan’ny fitafiana namany ny fomba ivarotana azy ireny. Hatreto aloha raha ny filazany, tsy voasambotra izy raha nivarotra izany fa tonga dia lasan’ny mpitandro filaminana ireny fitafiana ireny. Nilaza izy fa tsy afaka ny hanenjika ireto farany fa tsapany fa tsy manara-dalàna izy mivarotra ireny kanefa lafo masonkarena izy ireny, noho izy be mpanjifa, indrindra any amin’ny faritra. Ireo jiolahy manao fanamia-miaramila no loza mandondona an’ny fiarahamonina amin’ity fitosahan’ny akanjona mpitandro filaminana anaovana sivily ity.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana