Dans la mme rubrique

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

21/08/2019

Adiny fito sy fahefany teo ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Anosikely nisian’ny fampahafantaran’ny praiminisitra Ntsay Christian ny politika ankapoben’ny fanjakana na ny PGE tamin’ny antenimierandoholona omaly.

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

21/08/2019

Efa eo am-pijerena ireo anaran’ny olona tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ny eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni.

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

21/08/2019

Nantsoina haneho ny safidiny amin’izay ho ben’ny tanàna hitondra ny kaominina ny vahoaka.

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

21/08/2019

“Tsy hitsara ireo zavatra efa lasa fa tokony hipetraka sy hitodika amin`ny tsaratsara kokoa isika. Mendrika zavatra tsara ny tanànan`Antananarivo amin`ny maha renivohitra azy”, hoy i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna,

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

21/08/2019

I Marc Ravalomanana no nofidian’ireo depiote miisa 16 lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ho lehiben’ny mpanohitra, araka ny fifidianana notontosaina teny amin’ny foiben’ny TIM eny Ankadivato ny 19 aogositra teo.

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

21/08/2019

Amin`ny ankapobeny, ny fampandrosoana dia tsy maintsy miankina amin’ny mpitondra sy ny entina. Itsy voalohany dia miandraikitra ny fanatsarana ny lafiny toekarena sy ny sosialy. Ao anatin`izany, ny fampandrosoana entin`ny mpandraharaha.

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

21/08/2019

Lahadinika teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana. Tsy mbola nisy ny zavatra tena tapaka.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko ABA « Tokony miala ny mpitondra tsy mahay politika ! »

14/08/2019

Matoa misy vondrona iray mitsangana dia manana anto-pisiana na « ideologie », hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika ABA,

 

 

Dany Rakotoson, raha naneho hevitra mikasika ny fahitany ny fanapahan-kevitr’ireo mpanohitra ny fitondrana hivondrona. Tokony hapetraka mazava tsara, hoy izy, izay tanjona ao anaty fiarahana izay. Izahay antokom-bahoaka izao dia hery mpanitsy na « force d’interpellation » satria miteny rehefa mahita tsy mety ary manohana ireo hitanay fa mety kosa. Mila mandroso haingana ny firenena satria efa betsaka no matin’ny fahantrana amin’ny karazany rehetra, hoy ny fanazavany, ka raha atao fitadiavan-tseza fotsiny ny fanoherana dia heveriko fa tsy mety. Tsy ny zava-bita no tokony hanomezana hevitra fa ny zavatra mipoitra. Mila mametraka hoe tsy mety ity fa raha izahay no teo dia izao no hanaovanay azy. Resaka PSE izao, ohatra, dia hitanay hoe efa praograma ka tsy tokony hanaovana sorona ny zana-bahoaka. Ny famerana zaza teraka koa, ohatra, aminay dia tsy fahaizana politika satria kolontsaina Malagasy ny hoe harena ny zanaka. Firenena lehibe noho i frantsa i Madagasikara ary miisa 25 tapitrisa ny mponina ao. Rehefa tsy vitanao ny mampanankarena ireo dia mialà fa tsy ny zaza avoakany no ferana satria ho fanoitra amin’ny fampandrosoana toekarena ireo atsy ho atsy. Rehefa mpitondra tsy mahay politika dia miala fa ny baiboly aza nilaza hoe mamenoa ny tany, hoy ity mpanao politika ity.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana