Dans la mme rubrique

Rano fisotro madio Mbola maro ny ezaka ho an’Atsimondrano

21/08/2019

Sarotra ny mahazo rano fisotro madio eny anivon’ny distrikan’Atsimondrano na dia kilometatra vitsy miala amin’ny renivohitra aza. Maro ny tantsaha kanefa misy ny tanimbary maina tahaka ny eny amin’ny faritra Amboanjobe izay mampihen-danja ny famokarana.

Rano fisotro madio Mbola maro ny ezaka ho an’Atsimondrano

Hamaky ny tohiny...

Aretina diabeta Tokony hotiliana isan-taona farafaharatsiny

21/08/2019

Aretina mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny diabeta raha tsy voatsabo.

Aretina diabeta Tokony hotiliana isan-taona farafaharatsiny

Hamaky ny tohiny...

Taksibe Ivato Mbola misy manao ny ataony ihany

21/08/2019

Na dia efa natao zotra filamatra aza ireo taksibe ao amin’ny zotra D mampitohy an’i Vassacos amin’ny tanànan’Ivato dia mbola misy ihany ireo manao ny ataony.

Taksibe Ivato Mbola misy manao ny ataony ihany

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasan’ny GFEM sy ny AFHAM Vehivavy manana fahasembanana efatra no efa nahita asa

21/08/2019

Efa manomboka migoka ny tombontsoa azo avy amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fivondronan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara na ny GFEM ireo vehivavy manana fahasembanana mivondrona ao anatin’ny AFHAM.

Fiaraha-miasan’ny GFEM sy ny AFHAM Vehivavy manana fahasembanana efatra no efa nahita asa

Hamaky ny tohiny...

Firaisana fahefatra Vazaha nanao tsinontsinona mpiasa

21/08/2019

Misy ny filaharana rehefa manao taratasy eny anivon’ny firaisana ary misy ny fandaminana amin’izany.

Firaisana fahefatra Vazaha nanao tsinontsinona mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Lasan’ny karana ny tany Nanao ampamoaka ny fokonolona

20/08/2019

Naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny fanotorana ny tany izay efa nohajariana nandritra ny 20 taona ny mponina ao Ankorondrano, ka nametraka sorabaventy hoe “tsy ekenay ny fangalana ny taninay, izay efa nohajarianay an-taonany maro”,

Lasan’ny karana ny tany Nanao ampamoaka ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy mpiray dina Maty notetitetehina

20/08/2019

Maty novonoin’ireo tsy mataho-tody ny lehilahy iray, izay voalaza fa mpikambana sady mpiray dina, momba ny fandriampahalemana. Notetitetehin’ireo jiolahy ilay rangahy ary tsy hita teny amin’ny vatany ny tongony anankiroa.

Lehilahy mpiray dina Maty notetitetehina

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo Hovahana amin’ny alalan’ny kamio “citerne”

14/08/2019

Tsy mitsahatra ny mikaro-kevitra hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny mpitantana ny orinasa JIRAMA.

Nisy ny fifampidinihana an-databatra boribory notarihin’ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga, ny alahady lasa teo, nijerena ny fomba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny olan’ny famatsian-drano madion’ny JIRAMA. Tapaka nandritra ity dinika ity fa hovahana sy hohamafisina ny fitsinjarana rano amin’ny alalan’ny kamiao « citernes » ka hisy ny fametrahana « citernes » 5 hatramin’ny 10m3 eny amin’ireo fokontany izay tena ianjadian’ny tsy fisian-drano. Hifampidinika amin’ny kaominina sy ny fokontany voakasika ny tompon’andraikitra eto anivon’ny orinasa JIRAMA, amin’ity herinandro ity, hahafahana mandrindra ny asa sy mametraka olona hiandraikitra ny fizarana rano. Toy ireny maka rano amin’ny paompin’ny daholobe ireny ny mpanjifa ka hisy ny sarany haloan’izy ireo, izay tsy mbola voafaritra. Ho vahaolana maharitra kosa dia hisy ny fikarohana ireo loharano azo trandrahana hamokarana rano. Ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo dia voaresaka ny tetikasa hanaovana « forage » miisa enina, eny Ambohidrapeto ka vinavinaina hotanterahina amin’ity herinandro ity ny fitrandrahana andrana ny fitosahan’ny rano « débit » eny an-toerana. Ampahatsiahivina fa misy ihany koa ny tetikasa hiarahan’ny orinasa JIRAMA sy ny BEI (Banque Européenne d’Investissement) izay miompana indrindra amin’ny fanatsarana ny tambajotra fitaterana rano eto Antananarivo ary ny fampitomboana ireo tobim-pamokaran-drano. Vinavinaina hatomboka amin’ny voalohan’ny taona 2020 ity tetikasa ity. Mialoha izany dia taterina hatrany fa mandroso ilay asa fanorenana tobim-pamokaran-drano eny Amoronankona, izay afaka hamokatra rano 200 m3 isan’ora. Andrasana afaka herinadro vitsivitsy ny fahavitan’ny asa.

 

Pati sy Marigny

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana