Dans la mme rubrique

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

16/08/2019

Vory lanona nankalaza ny fetim-pireneny teny amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'ny firenena Indianina ireo teratany avy amin'ity firenena ity, omaly tontolo andro.

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

14/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny mpamatsy basy vita gasy ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II, Toliara , lehilahy iray, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny «Force d’intervention de Police »

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

14/08/2019

Tra-tehaka tao amin'ny kaominina Kiangara ny atidoha nikotrika ny famonoana ilay mpanagom-bokatra toa azy, tamin’iny faritra iny herinandro vitsy lasa izay.

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

14/08/2019

Omaly talata 13 aogositra 2019 tamin’ny 8 ora maraina, raha nanao fisafoana teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 ireo zandary miasa amin'ny Brigade de police routière (BPR) Fianarantsoa dia nahasarona rongony roa sakaosy milanja 20 kg tao anaty fiaram-pitaterana tao Analalova, kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao.

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ampefiloha Olona 2 no voasambotra hatreto

13/08/2019

Mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, roa tamin’ireo mpaka an-keriny no efa tra-tehaka.

Kidnapping teny Ampefiloha Olona 2 no voasambotra hatreto

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

14/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny zoma alina teo, sahabo ho tamin’ny 9 ora mahery, tamin’ny faritra Ankazobe.

 

 

 « Teny Tamponketsa no niseho ny loza, tsy nisy aina nafoy, nisy ny folaka sy ny voadona ara-tsaina », hoy ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana. Tamin’ny 1 ora maraina vao tonga ny fiara namonjy. Niteraka hatezerana ho an’ireo mpandeha ny tsy firaharahiana azy ireo tany Mahajanga fa ny entana izay nandrasan’ireo mpitsena no nahamaika ny tompon’andraikitry ny koperativa. « Anjara andraikitry ny tompon’ny fitaterana anefa ny manontany ny tsy fahasalamana sy ny fitsaboana vao ny entana », raha ny filazan’ny ATT izay mpiandraikitra ny fitaterana an-tanety. Raha ny filazan’ny mpandeha anefa, noho ireo entana tafahoatra teo ambony fiara no nampianjera ilay fiara teo amin’ny fiolahana. “ Efa tao anatin’ny torimaso ny ankamaroan’ny mpandeha izay niainga ny takariva teny Andohatapenaka ho any Mahajanga. Ny fidobohan’ny fiara narahin’ny kiakiaka no nanaitra. Raim-pianakaviana iray no saika tsy niverina ny sainy. Fihodinana ilay lalana ary nisy tatatra ka izay no nampironjona ilay taksibrosy”, hoy i Tantely, anisan’ireo mpandeha nieren-doza nitantara ny zava-nitranga. Nilaza ny zandary ao Ankazobe fa mirimorimo loatra ireo fiara amin’iny lalam-pirenena iny fa tsy resaka lolo no mahatonga ny loza.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana