Dans la męme rubrique

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

16/08/2019

Fampanantenana tanin'orinasa manana taratasy ara-dalana hozarain'ny olom-boafidy, nandritra ny fampielazan-kevitra no fototr'olana.

Morarano Imerintsiatosika Tanina orinasa hozaraina amin'ny mponina no fototr'olana.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

16/08/2019

Vory lanona nankalaza ny fetim-pireneny teny amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivohon'ny firenena Indianina ireo teratany avy amin'ity firenena ity, omaly tontolo andro.

Kidnapping teratany Karana Nilamindamin-dratsy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

14/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny zoma alina teo, sahabo ho tamin’ny 9 ora mahery, tamin’ny faritra Ankazobe.

Lozam-pifamoivoizana -Tampoketsa Ny entana no nahamaika ny kaoperativa fa tsy ny mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

14/08/2019

Tra-tehaky ny polisy ny mpamatsy basy vita gasy ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny 11 aogositra 2019 lasa teo tany Tsimenatra II, Toliara , lehilahy iray, 26 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny «Force d’intervention de Police »

Tsy fandriampahalemana - Toliara Tra-tehaka ny mpanamboatra basy vita gasy

Hamaky ny tohiny...

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

14/08/2019

Omaly talata 13 aogositra 2019 tamin’ny 8 ora maraina, raha nanao fisafoana teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 ireo zandary miasa amin'ny Brigade de police routière (BPR) Fianarantsoa dia nahasarona rongony roa sakaosy milanja 20 kg tao anaty fiaram-pitaterana tao Analalova, kaominina Iarintsena, distrika Ambalavao.

Iarintsena Ambalavao RN7 Rongony 2 kitapo sarona tanaty taksibrosy

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ampefiloha Olona 2 no voasambotra hatreto

13/08/2019

Mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, roa tamin’ireo mpaka an-keriny no efa tra-tehaka.

Kidnapping teny Ampefiloha Olona 2 no voasambotra hatreto

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Famonoana mpanangom-bokatra Olona 3 nidoboka am-ponja

14/08/2019

Tra-tehaka tao amin'ny kaominina Kiangara ny atidoha nikotrika ny famonoana ilay mpanagom-bokatra toa azy, tamin’iny faritra iny herinandro vitsy lasa izay.

 

 

 Tamin’ny voalohan’ity herinandro ity, dahalo roa hafa no sarona voalohany niaraka tamin’ny basim-borona iray  sy bala telo. Izy ireo izay nokaramain’ilay mpanangom-bokatra 1 tapitrisa ariary. Ireo no nanoro ity farany izay mpaniraka hanatanteraka ny asa ratsy. Samy nidoboka am-ponja vonjimaika izy telo ireo, afak’omaly alina. Nandritra ny fanadihadian'ny zandary no niaiken’ilay  mpanarama fa vokatry ny fialonana noho ny fifaninanana ara-barotra no nandatsahany ny ainy. Nampahafantatra ny mpitandro filaminana ilay nahavanon-doza fa lasan'io mpifanandrina aminy io daholo ny vokatra, indrindra ny vary amin'iny faritra avaratr'i Bongolava sy andrefan'i Vonizongo iny.

Raha ny  loharanom-baovao any an-toerana mantsy efa ifampitadiavana tanteraka ny vary amin’izao vanimpotoanan’ny main-tany izao izay angonina itsinjovana ny varotra amin’ny maitso ahitra. Olona iray hafa ihany koa no nosamborin’ny mpitandro filaminana izay nivory niaraka taminy nandritra ny ora vitsy mialoha ilay asa ratsy. Samy natolotra ny fampanoavana afak’omaly hariva izy efatra ireo fa ilay nikaon-doha niaraka taminy nahazo fahafahana vonjimaika. Notsipihin’ny kaompanian’ny zandariam-pirenena ao Ankazobe fa tafiditra ao anatin’ny ezaka «opération» an’ny Vondrontobim-pileovana Analamanga izao hetsika izao.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana