Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Raikitra ihany amin’ny 27 novambra

16/08/2019

Hotontosaina ny 27 novambra izao ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsainan’ny tanàna manerana ny Nosy, araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny governemanta,

 

 

 notanterahina tamin’ny alarobia lasa teo, araka ny tolo-kevitra ihany koa, avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Manomboka amin’ny 29 aogositra ho avy izao hatramin’ny 12 septambra no fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana eny anivon’ny OVEC (Organe de vérification et d’Enregistrement des Candidatures), ho an’ireo maniry ny ho kandida. Hanomboka ny talata 5 novambra kosa ny fampielezan-kevitra ary hifarana ny alatsinainy 25 novambra, izay haharitra 21 andro. Andro alarobia moa io 27 novambra hanatanterahana fifidianana roa sosona io, ka noho izany dia tsy hiasana fa handraisan-karama. Horarana kosa ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola manerana an’i Madagasikara, manomboka ny 26 novambra amin’ny 6 ora maraina, andro hanginana mialoha ny fifidianana sy mandritra ny andron’ny fifidianana ben’ny tanàna iray manontolo. Ny 24 janoary 2020 kosa no tokony hamoahan`ny Fitsarana misahana ny ady amin`ny fanjakana manerana ny distrika 119 ny valim-pifidianana ofisialy. Tsy misy fiovana ny saran`ny filatsahan-kofidiana, hoy ny CENI. Efa nahazoana fankatoavana avy amin`ny governamanta ireo saram-piantohana ireo. 300 000 ariary no saram-piantohana ambany indrindra izay natokana ho an`ireo kaominina ambanivohitra manana mponina latsaky ny 10 000. Dimy tapitrisa ariary kosa ny ambony indrindra ho an`Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra amin`ireo kaominina manana sokajy manokana mihitsy. Andrasana avokoa ireo kandidà ben`ny tanàna noho ny tanjona iraisana ho fanatsarana tanàna. Andrasan`ny besinimaro kosa ireo kandidà hifaninana ho eto an-drenivohitra. Betsaka ny tsy mety sy mila arenina eto an-drenivohitra. Eo ny lafiny fitaterana, ny filaminana ankapobeny. Niainana kosa teo amin’ny tantara amin’ny tsy fitovian’ny firehana eo amin’ny voafidy ho ben’ny tanàna sy ny fanjakana. Nisy hatrany ny disadisa sy fifanolanana saingy fotoana izao hijerena  ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny tanàna. Iza no kandidà hamaly ny filan`ny vahoaka ? Nahita kandidà ve ny Fitondrana amin`ny alalan`ny vovonana IRD ?

Ny mampiavaka ity fifidianana ben’ny tanàna ity amin’ny rehetra kosa, ireto fepetra ireto: manana fonenana ao amin’ny kaominina hirotsahany na farafaharatsiny manana tombontsoa manokana amin’ny firotsahany amin’izany. Ankoatra ireo, fepetra takina amin’ny firotsahan-kofidina ho ben’ny tanàna ny fizakana ny zom-pirenena malagasy, ny fahafenoana 21 taona farafahakeliny, ary ny fanarahana ireo fepetra mahazatra: tsy mbola nisazy, mahavita ny adidy amin’ny fandoavan-ketra sy haba, misoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana iray.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana