Dans la mme rubrique

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

13/09/2019

Antoko manana solombavambahoaka voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny GJMP « Groupement des jeunes Malgaches Patriotiques” tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

13/09/2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny OVEC 67Ha ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’i Tovo Rakotojohary, fantatry ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny hazakaza-piarakodia na Rallye amin’ny fiantsoana hoe Tovonen.

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

13/09/2019

Kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Antehiroka amin’ny anaran’ny antoko TIM Atoa Rajaonera Samy Andrianavalomalala. Tafapetraka teny amin'ny OVEC ny alarobia 11 septambra teo ny taratasy filatsahan-kofidiana miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolotsaina TIM miara-dia aminy.

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

Hamaky ny tohiny...

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

13/09/2019

Nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana didimpoitra maimaimpoana, ny fanaovana asa sosialy efa fanaon’ny antoko Tiako I Madagasikara, eny Ambohimangakely hatramin’izay.

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

13/09/2019

Niova endrika tanteraka ny tontolo politika ho amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Olona tsy mbola re firy tamin’ny politika no natolotry ny antoko 2 sokajiana ho goavana ho kandida ben’ny tanàna dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

13/09/2019

Kaominina 560 amin’ny 1695 manerana an’i Madagasikara no tsy misy kandida, kaominina 1369 nahitana lisitra kandida mpanolotsaina fotsiny; ny any ambanivohitra no tena tsy narisika ireo kandida.

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina 7 volana nihodinkondina fotsiny…

19/08/2019

Fito volana katroka anio alatsinainy 19 aogositra no nahazo ny fahefana feno i Andry Rajoelina, taorian’ny fifidianana naha be resaka sy efa nanamarihan’ny mpanara-maso ny vondrona Eoropeanina fa nisy fizaram-bola.

 

 

 

Toa efa niomana tamin’ny gidragidra sy ady an-trano tamin’ny alalan’ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy mazava, fony izy tsy filoha akory. Nipoapoaka ny fanambarana momba ny IEM efa tany amin’ny fiandohan’ny taona 2018 fa programan’asa efa noketrehina nandritra ny 4 taona io. Nisisika avy eo ny velirano. Inona no nitranga anefa avy eo ? Tsy arakaraka ny filazana fa ho haingam-pandeha ny fomba fiasa. In’enina teo ny filoha no nivoaka tany ivelany, tsy hita izay tena vokatra nefa vola be no lany. Nikatso ilay TGV, hoy ny mpanara-baovao. Ireo minisitra notendrena tany am-piandohana, nolazaina fa araha-maso akaiky ary hisy ny tomban’ezaka ao anatin’ny enim-bolana voalohany, dia ny teo ihany no naverina afa-tsy minisitra iray monja. Nahavita azy daholo izany ireo ve ? Inona no mari-drefy nampiasaina sa mba resaka fotsiny iny ? Aty amin’ny tapaky ny volana aogositra namelabelarana ny fandaharanasa ankapoben’ny fitondram-panjakana vao hoe izao sy izao no hotanterahana amin’ny 2020, ka ny tetibolam-panjakana amin’io taona ho avy io dia ampifanarahana amin’ny velirano sy ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka. Nanao ahoana izany ity 2019 ity ? Fanohizana sy fijapiana ny nataon’ny teo aloha fotsiny no hita. Nipoitra ny olana isan-karazany toy ny tsy fandriampahalemana, fahatapahan’ny jiro sy ny rano manerana an’i Madagasikara, fisondrotry ny vidim-piainana ,.. Tsy mbola hita popoka ny famatsiam-bola goavana hatreto. Mbola mitazana ve ireo mpiara-miasa sa sanatria tena tsy mahatoky mihitsy ? Tsy mbola nisy fototra iray na lanonana nametrahana vato fehizoro hanombohana ny asa amin’ilay building, trano 50 000 … Ny tanamasoandro moa tsy nanomboka akory dia efa miteraka fahasosorana noho ny fanjavozavon’ilay tetikasa goavambe sy ny resaka fanotorana tany.

MARO NY MPANDOTO RANO

Efa maro sahady ireo mpiara-miasa amin’ny filoha no mampiteny ny anarany sy manao fanamparam-pahefana. Manaratsy endrika an’i Andry Rajoelina izany ary mbola ho raharaha be tsy hiova ireo olom-bitsy ireo fa hanao ny ataony mandritra ny 4 taona ambiny. Ny samy ao anaty fanjakana mifanaratsy sy mifamoaka dosie maloto, toy ny depiote sy minisitra mifanaratsy amina raharaha famarotana tanim-panjakana. Misy milaza fa te hanao zavatra tsara ho an’ny firenena ihany ny filoha Rajoelina saingy tsy tafavoaka satria, hono, voafatotra. Inona no mamatotra azy ? Misy olona tena sahy misangy ny fahefana am-pelatanany, olona akaiky azy ihany ireo fa tsy mpanohitra akory, Eny. mety hisy ny ny hilaza fa izay 7 volana kosa ve dia hanaovana resa-be. Efa nisy tatitry ny 100 natao fa tsy hita izay eo. Ho vita indray ny herintaona amin’ny 19 janoary 2020 dia hiteny indray fa vao herintaona ve dia hitohy hiala bala sanatria rehefa tsy nahatanteraka ilay hafainganam-pandeha mafy be sy ny hoe ataontsika izay tsy vita tao anatin’ny 58 taona teo.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana