Dans la męme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

 

 

 

 

Nanome tanana ny polisin’ny Faritr’Itasy ny FIP Antananarivo ho fampandriana fahalemana amin’iny faritra iny. Vokatra azo tsapain-tanana tamin’izany ny fahatrarana zokiolona voky andro amin’ny trafikana zavamahadomelina. Tambajotrana mpamatsy rongony mahery vaika amin’iny faritra Itasy iny no tra-tehaky ny FIP ny 15 aogositra 2019 teo. Lehilahy iray 67 taona sy ramatoa iray 60 taona, avy ao Miarinarivo no tompon’antoka tamin’ity fanondranana sy fanaparitahana rongony ao amin’ny Faritra Itasy ity. Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa efa an-taonany maro izy ireo no nanao azy ity. Mbola nahitana rongony mahery vaika roa gony tany amin’izy reo tamin’ny fotoana nisamborana azy. Efa natolotra avy hatrany ireo sampan’ny polisim- pirenena mpanao famotorana ao amin’ny Faritra Itasy ny raharaha. Mbola mitohy hatrany ny fanomezan-tanana ataon’ny FIP Antananarivo any amin’iny Faritra iny.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana