Dans la męme rubrique

Lalamby Fianarantsoa - Manakara Vitaina mialoha ny faran’ny taona ny asa fanarenana

16/09/2019

Efa am-bolana maro no nisy ny olana teo amin’ny lalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara.

Lalamby Fianarantsoa - Manakara Vitaina mialoha ny faran’ny taona ny asa fanarenana

Hamaky ny tohiny...

Kaoperativa mihazo ny faritra Atsinanana Mangataka ny hametrahana azy ireo eny Ampasampito farafaharatsiny

12/09/2019

Tsy mankasitraka ny hamindrana azy ireo etsy amin’ny toby fiantsonana etsy Andohatapenaka ireo kaoperativa mihazo ny faritra Atsinanana.

Kaoperativa mihazo ny faritra Atsinanana Mangataka ny hametrahana azy ireo eny Ampasampito farafaharatsiny

Hamaky ny tohiny...

Kaoperativa etsy Ambodivona Mangataka ny hijanonan’izy ireo ao ambadiky ny Total

11/09/2019

Ny toerana ao ambadiky ny Total etsy Ambodivona no toerana efa mahazatra ireo kaoperativa izay tadiavina hafindra toerana eny Andohatapenaka, ny 20 septambra ho avy izao.

Kaoperativa etsy Ambodivona Mangataka ny hijanonan’izy ireo ao ambadiky ny Total

Hamaky ny tohiny...

Gare Makis Andohatapenaka Handray fiara miisa 196 avy eny Ambodivona

10/09/2019

Manodidina ny 196 eo ny isan’ireo fiara hifindra eny amin’ny tobim-piantsonana Gare Makis Andohatapenaka raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaoperativa mampitohy ny lalam-pirenena faharoa (Tana-Toamasina) sy lalam-pirenena fahadimy (Tana-Fenerive Est) manomboka ny 20 septambra ho avy izao.

Gare Makis Andohatapenaka Handray fiara miisa 196 avy eny Ambodivona

Hamaky ny tohiny...

Lalana ratsin’Antananarivo renivohitra Ho vita tsara ao anatin’ny 10 volana

05/09/2019

Ao anatin’ny folo volana, tsy hisy intsony ny lalana ratsy eto Antananarivo Renivohitra, hoy atoa Rahaingoson Harifidy, talen’n y serasera eo anivon’ny ministeran’ny fananjariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy.

Lalana ratsin’Antananarivo renivohitra Ho vita tsara ao anatin’ny 10 volana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Tena mila fanavaozana ny fifamoivoizana

04/09/2019

Misy ny fanavaozana apetraka amin’ny tontolon’ny fitaterana eto Madagasikara ary hojerena avokoa na ny fitaterana ana habakabaka, na ny an-dranomasina hatramin’ny taksibe miasa eto amin’ny firenena.

Madagasikara Tena mila fanavaozana ny fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny...

Fanamboaran-dalana Tsy ampy serasera ka be ny fanararaotana

30/08/2019

Mampiteny ny moana ny fahatapahan-dalana vokatry ny fanamboarana eto an-drenivohitra.

Fanamboaran-dalana Tsy ampy serasera ka be ny fanararaotana

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Kalitaon`ny fitaterana Miharatsy ny tolotra

20/08/2019

Mitohy hatrany ny tsy refesi-mandidy ataon’ny mpitatitra sy ny mpanampy azy eo anivon’ireo zotra mampifandray eto Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

Vao mainka niharatsy ny tolotra sy ny kalitao omen’izy ireo ny mpanjifa, na dia eo aza ny fampakarana ny saran-dalana. Mitohy hatrany ny tsy fanajana ny mpandeha, fihodinana an-dalana, famindrana mpandeha, tapa-dalana 500 Ariary na dia fiantsonana iray aza. Tsy misy intsony ny fanajana bokin’andraikitra. Tsy hita anefa izay andraikitra raisin`ny minisiteran`ny fitaterana sy ny kaominina ary ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ka miaritra ny zava-misy ny olona. Misy ny lalàna mahakasika io tsy fanajana bokin`andraikitra io. Raha tratra nandika lalàna ny fiara fitaterana iray dia giazana  avy hatrany ny fiara mandritra ny 10 andro sady mandoa lamandy 60 000 Ariary hatramin’ny 65 000 Ariary. Adinon`ireo mpitatitra tokoa ve fa fiara fitateram-bahoaka izy ireo ? Ahoana tokoa ny fampakarana ny kalitaon`ny fitaterana eto amintsika ary ny ahazoan’ny mpitatitra sy ny mpanampy azy traikefa sy fahaiza-manao ? Tafiditra ao anatin’izay ny kalitao, ny aro loza amin’ny fifamoivoizana, ny tokony ho fantatry ny mpandeha sy ny fanajana ny ora fiaingana. Ilaina ny fanatsarana mba hiantraika mivantana any amin’ny mpanjifa. Efa miaina anaty gaboraraka Antananarivo ary tafiditra ao ny fifamoivoizana. Tsy hasian-dresaka intsony ny fitohanana lavareny sy ny hamaroan`ireo posy sy sarety izay mameno tanàna ary manohintohina ny fifamoivoizana. Mbola misy lalàna ve eto sa samy manao izay saim-pantany ny rehetra ?

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana