Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

21/08/2019

Adiny fito sy fahefany teo ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Anosikely nisian’ny fampahafantaran’ny praiminisitra Ntsay Christian ny politika ankapoben’ny fanjakana na ny PGE tamin’ny antenimierandoholona omaly.

 

 

 Nandritra io no nisian’ny fanontaniana isan-karazany sy famoahana ny fahatsapan’ireo loholona fa tratry ny fahirano na ankilabao avy amin’ny fanjakana foibe. Tsy mbola naharay ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) ny antenimierandoholona, hahafahanay mijery sy manaraka ny politikam-panjakana ankapobeny. Eritreretinay fa fanadinoana izany, hoy ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Ny maraina ihany koa vao nahazo ilay fandaharan’asa ny loholona, ka tsy nanam-potoana firy nandinihana izany, kanefa tsy ifanomezan-tsiny fa hahafahanao mahalala ny zava-misy izany,  hoy hatrany io filohana andrim-panjakana io. Nanamafy ny fahatsapany ny karazana fahirano, toy ny lafiny ara-bola nanenana ny tetibolan’ny antenimierandoholona ireo loholona ankoatra ny zavatra manitikitika azy amin’ny PGE. Omaly hariva na anio, dia ho tonga eny amin’ny antenimierandoholona ny LFR, hoy kosa ny Praiminisitra. Nambarany fa tsy izy ireo mihitsy no handeha hitady olana, ary tsy misy tombontsoan’ny governemanta hanao fahirano ny antenimierandoholona. Niala tsiny kosa izy noho ny fahataran’ny “Indemnité” na tambin-karama, izay tsy mbola azon’ireo depiote ihany koa. Tsy nisy notapahana mihitsy ny mikasika ny karama fa ny fampandehanan-draharaha na tamin’ny andrim-panjakana, toy ny antenimierandoholona na ny ho an’ny minisitera samihafa, hoy ny lehiben’ny governemanta. Tao anatin’ny tetibola nisy an-taonany maro, dia ny fampandehan-draharaha no nanahirana, tsy hita taratra tao anatin’ny laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa, izay napetraka ho zava-dehibe kokoa, hoy ny praiminisitra. Hatao laharam-pahamehana ny fananganana fa tsy ny fanavaozana ny efa misy hanjakan’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, tsy nisy zavatra natao, kanefa misy mahatratra hatrany amin’ny 2 miliara ariary no tsy hita. Ny vola nalaina tamin’ireo minisitera na andrim-panjakana, dia havadika amin’izany. Fahasahiana goavana, hoy izy, ny fampahafantarana ny zavatra atao amin’ny toerana hanaovana azy hahafahana mitsara anay avy eo, ary izay zavatra lazaiko dia ao anatin’ny tetibolam-panjakana daholo, ka tsy izaho mihitsy no handeha hanala baraka ny tenako, ary rehefa tenenina dia tanterahina. Hohamafisina ny fanaraha-maso ny fampidiram-bolam-panjakana satria ny tahan’ny fandoavan-ketra izao, dia zara raha misy 12%, mahatratra hatrany amin’ny 600 miliara ny vola very amin’ny fadin-tseranana.

Toky R 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana