Dans la męme rubrique

Rajaonarisoa Maholy “Mahatoky ny vadiko hampandroso an’Antananarivo aho”

22/11/2019

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana mpitantana, mpanao politika, tompon’andraikitra ambony, manampahefana ny vady andefimandriny.

Rajaonarisoa Maholy “Mahatoky ny vadiko hampandroso an’Antananarivo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fandikan-dalàna amin’ny propagandy Jamba ,moana , marenina ny CENI

22/11/2019

Ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ ny 11 mey 2018 sy ny tovana amin’ izany no mamaritra ny lalàna mifehy ny fitantanana ankapobeany ny fifidianana ben’ ny tanàna sy mpanolontsaina.

Fandikan-dalàna amin’ny propagandy Jamba ,moana , marenina ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson “Tsy manana porofo hitazonana ireo nosy Eparsa i Frantsa”

22/11/2019

Rehefa nohalalinina sy nodinihina ary nofakafakaina dia voaporofo fa tsy manana porofo hitazonana ireo nosy Eparsa ireo ny firenena Frantsay, hoy i Arlette Ramaroson, mpahay lalĂ na iraisam-pirenena, ka tokony hanararaotra hitaky ny hamerenana izany isika malagasy.

Arlette Ramaroson “Tsy manana porofo hitazonana ireo nosy Eparsa i Frantsa”

Hamaky ny tohiny...

Leo krizy ny vahoaka Misesy ny fandorana biraom-panjakana

22/11/2019

Nodoran’ny andian’olona ka kila forehitra ny Kaomisarian’ny polisy ao Sainte Marie.

Leo krizy ny vahoaka Misesy ny fandorana biraom-panjakana

Hamaky ny tohiny...

Kandida Jimmy Randriantsoa « Aoka tsy hifampihantsy ! »

22/11/2019

Manohy ny fampielezankeviny toy ny kandida ho ben’ny tanàna namana hafa rehetra ny laharana faha-7 ao anaty bileta tokana

Kandida Jimmy Randriantsoa « Aoka tsy hifampihantsy ! »

Hamaky ny tohiny...

Elias Ralaiarimanana « Havitrika ny mpifidy amin’ity ! »

22/11/2019

Lesoka eto amin’ny tany sy ny firenena ny tsy fampiharana lalàna, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna eto Antananarivo, Elias Ralaiarimanana.

Elias Ralaiarimanana « Havitrika ny mpifidy amin’ity ! »

Hamaky ny tohiny...

Fanatanterahana fifidianana Nanolotra 216 000 dolara ny Norvezianina

22/11/2019

Naneho ofisialy ny tosikara ara-pifidianana andiany fahadimy ho an’ny kitapom-bola SACEM (Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar)

Fanatanterahana fifidianana Nanolotra 216 000 dolara ny Norvezianina

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

21/08/2019

Amin`ny ankapobeny, ny fampandrosoana dia tsy maintsy miankina amin’ny mpitondra sy ny entina. Itsy voalohany dia miandraikitra ny fanatsarana ny lafiny toekarena sy ny sosialy. Ao anatin`izany, ny fampandrosoana entin`ny mpandraharaha.

 

Tsy maintsy jerena ireo olona afaka hamorona asa ho an`ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra. Antony, midonanam-poana ny olona eto Antananarivo ka lasa mangalatra, mivarilavo, tsy an` asa… Ny fivelaran`ny renivohitra ihany koa dia singa iray tsy ahafahana mandroso satria mihatery ka naleon`ny olona misisika eto. Sarotra kosa ny monina eto Antananarivo noho ny toe-tsain`ny fiarahamonina. Ngeza be koa ho an`ny fampandrosoana ny lafiny vahoaka. Voaresaka tato ho ato ny fako mivangongo eto Antananarivo Renivohitra. Maro ireo tanàna heverina fa ambanivohitra eto Madagasikara kanefa kolontsaina mihitsy ny fahadiovana ary tsy ahitana fako mivangongo izany mihitsy satria iainan`ny mponina. Tsy voatery miandry fanjakana izy ireo fa tena manao ary mirindra. Ny fandrosoana dia miainga avy amin`ny tsirairay ka rehefa samy zatra ny fahadiovana ny olona dia miroso. Eto Antananarivo Renivohitra anefa dia tsy mbola ao io toe-tsaina io fa samy manary eny an-dalana eny daholo. Rehefa hitady fahadiovana nefa izy ireo ihany no mpandoto. Antananarivo no renivohitr`i Madagasikara ary natao ho maodely saingy na ireo toerana manan-tantara toy ny Lac Anosy, Avenue de l`Independance,… aza feno maloto ary miaina anaty gaboraraka. Tototra fako sy loto ny lakandrano famatsiana rano ho an’ireo fambolena eny amin’ny faritra Ankasina, Andohatapenaka I sy II kanefa dia mamokatra sakafo hohanina novatsin’ity lakandrano ity. Tokony hofadiana ihany koa ny manasa lamba sy ny manary maloto any anatin’itony lakandrano itony.Ny arabe aza moa eto Antananarivo dia feno sarety sy posy. Na manao ezaka goavana aza  ny mpitondra sy ny fiadidian`ny tanànan`Antananarivo kanefa tsy hain`ny vahoaka miara-monina eto no mamerina ny soatoavina nisy hatramin`izay sy mifanome tanana amin`ny fanadiovana ny tanàna, eny isaky ny fokotany dia zava-poana izany. Manan-danja ny fandraisan`ny vahoaka andraikitra eny anivon`ny fokotany.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana