Dans la mme rubrique

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

21/11/2019

Lehilahy iray no hita faty anaty tatatra fandehanan’ny rano maloto teny Iavoloha, teo amin’ny sampanana mihazo ny Lapam-panjakana omaly vao maraina.

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

Hamaky ny tohiny...

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

21/11/2019

Ankizy vavy kely sahabo ho efatra taona no nianjera tampoka teny ambony taksibe teo Anosy omaly maraina tamin'ny 6ora sy sasany. Sady niteny ilay mpamily hoe :

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

20/11/2019

Araka ny fanadihadian'ny polisim-pirenena ao amin'ny kaomisarian' Antsirabe, 10 000 000 Ariary no noheverin'ireo mpamaky fasana tao Ambatomenaloha Tsaravavaka,

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

20/11/2019

Velon-taraina ny olona any Morondava noho ny tsy fisiana fanafidy ao amin’ny Hopitaly Namahora.

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

Hamaky ny tohiny...

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

20/11/2019

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

20/11/2019

Any am-ponjan'ny Mahajanga no miandry fitsarana ilay namono nahafaty ny tovolahy 15 taona izay mpiandry ondry sy osy amam-polony maro.

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

Hamaky ny tohiny...

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

21/08/2019

Mahatratra 07ha58a71Sa ny velaran’ity tany hanorenan’ny Madagascar Premium Oil (MPO) orinasa ao Tanandava ity.

 

 

 

 Taorian’ny fahazoany ireo antontan-taratasy rehetra mikasika ny fananganana orinasa fanodinana menaka tahaka izao avy amin’ny minisitera samy hafa, anisan’izany ny tontolo iainana teo anivon’ny ONE, dia nanangana azy ity ingahy Chane Mamod, tale jeneralin’ny MPO. Amin’ny fampiatoana nataon’ny fanjakana amin’ny fananganana ny orinasa izao dia ny 80%-n’ny asa no efa tafatsangana raha ny fotodrafitrasa ankapobeny no jerena. Manginy fotsiny ireo mpiasa an-jatony lasa tsy an’asa tampoka. Ny anton’ny fampiatoana anefa tsy mazava ary tsy voalaza ao anatin’ilay didim-pitondrana akory na ilay navoakan’ny minisitry ny indostria ny 05 aogositra na ilay navoakan’ny minisitry ny fanajariana ny tany ny 14 aogositra. Ao anatin’izao raharaha izao anefa dia manomboka kivy ny mpamatsy vola mivantana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fananganana orinasa fa mivadibadika sy tsy matotra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ny fanjakana Malagasy fa mbola manome vahana antokon’olona hatrany. Ho an’ingahy Chane Mamod tale jeneralin’ny MPO, famatsiam-bola 06 tapitrisa dolara no entiny hananganana izao fotodrafitrasa hiharan’ny antsojain’ny fanjakana izao ary amin’ny fotoana fahavitany izay kasaina hiasa ny taona ho avy io dia mpiasa manodidina ny 800 no hiasa ao ankoatra ireo mpiasa an-tselika sy ireo mpiara-miasa samy hafa. Hatreto aloha dia mpiasa 600 mpanamboatra ny orinasa no tsy voasokatra vavahady sy tsy an’asa tampoka noho ilay fanapahana noraisin’ny minisitra Lantosoa Rakotomalalala sy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mampiato ity orinasa MPO Tanandava Toamasina II ity.

Rakoutou

 

 





 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana