Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

22/08/2019

Ny fisian`ny lalana tsara lamina dia antoka mampitony ny sain`ny Malagasy ary mitombin-tsaina izy ireo manao ny asany.

 

 

Ny lalana rahateo no antoka ahazoana vokatra tsara eo amin`ny sehatra rehetra ary miteraka fampandrosoana ho an`ny firenena ka manatsara ny vokatra, indrindra amin`ny lafiny ara-toekarena. Nambaran’ny depiote voafidy tao amin`ny boriborintany fahefatra Antananarivo Renivohitra, Ramboasalama Emilien fa zavatra mahafinaritra ny fanjakana no ataony ao amin`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE) fa tsy mahasoa ny vahoaka. Ireo lalam-pirenena no tena mahamaika ny fitondrana kanefa misy lalana eto Antananarivo Renivohitra, tsy amboarina kanefa anjaran`ny minisiteran`ny asa vaventy. Nilaza izy fa tokony homena an`ireo kaominina  ny fitantanana ny FER (Fonds d`entretien routier) satria zon`izy ireo izany.. Lasa kajikajy politika ka tsy andeha mihitsy fiainam-bahoaka, hoy izy. Mbola resabe hatrany ny fako, indrindra eto an-drenivohitra. Nanambara ity depiote ity fa tokony haverina amin` ny CUA ny fitantanana ny SAMVA. Milaza ny minisitera tompon’andraikitra fa manana fiara vaventy izy ireo nefa tsy ampiasaina. Ny fangalana ny fako dia anjaran`ny minisiteran`ny rano kanefa nahena ny tetibolany ary ireo kamio ihany koa dia nihena am-pitoerana. Lasa “fako politika” entina hanenjehana ny CUA, hoy hatrany Ramboasalama Emilien. Mivaona amin`ny teniny ny filoha Rajoelina satria raha nandeha ny adihevitra teo amin`ny haino aman-jerim-panjakana teo amin`ny kandidà Ravalomanana sy kandidà Rajoelina dia nilaza ity farany  fa raha tonga eo amin`ny fitantanana dia na iza ben`ny tanàna dia ampiana. Mifanohitra amin`izay ny zava-mitranga amin`izao satria fanapotehana ny CUA no ataon`ny fitondrana fa tsy fanatsarana, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana