Dans la mme rubrique

Fampiasana Aterineto Mbola tara i Madagasikara

20/09/2019

Hifarana anio ny fikaonan-doha nasionalin’ny “Aterneto” izay efa natomboka omaly tetsy Anosy.

Fampiasana Aterineto Mbola tara i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny fizahantany Vahiny 800 000 isan-taona no tanjona

18/09/2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 septambra 2019 teny amin’ny CCI Ivato ny andiany voalohany amin’ny atrikasa iraisam-pirenena ho an’ny famatsiam-bola ho an'ny fizahantany sy ny fitaterana na ny “Wave Madagascar”,

Fampiroboroboana ny fizahantany Vahiny 800 000 isan-taona no tanjona

Hamaky ny tohiny...

Manizingizina ny orinasa STAR “Manaja ny tontolo iainana izahay”

18/09/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany nanazava ny mikasika ny fiavian’ny katsaka hampiasainy ho akora fototra hanamboarana ireo zava-pisotro vokariny, omaly ny orinasa STAR, taorian’ny nandefasana fahitalavitra vahiny iray fanadihadiana toa miampanga ity orinasa ity.

Manizingizina ny orinasa STAR “Manaja ny tontolo iainana izahay”

Hamaky ny tohiny...

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

16/09/2019

Nahazo vahana indray tato ho ato ny fikasana hanondrana ny harena sarobidin’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fadin-tseranana Malagasy. Anisany ny saika amoahana safira teny Ivato tamin’ny alatsinainy lasa teo izay nataona vehivavy Indiana 2.

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

10/09/2019

Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

Hamaky ny tohiny...

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

06/09/2019

Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

05/09/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fampidirana vokatra avy any ivelany Maro ny fepetra raisina hiarovana ny orinasa Malagasy

22/08/2019

Nitondra fampahafantarana mahakasika ireo fandraisana fepetra fiarovana mahakasika ny vokatra Malagasy amin’ireo fifanakalozana ara-barotra ny rafitra mpanao fanadihadiana momba ny lalàn’ny fifaninanana ara-barotra (ANMCC) omaly tetsy amin’ny foibeny Antanimena.

 

 

 

 Tsiahivina fa vokatra 3 no nanaovan’ny ANMCC fanadihadiana tamin’ny taon-dasa dia ny paty fihinana, ny bodofotsy fanafatra ary ny vovo-tsavony. Amin’ity taona vaovao ity kosa dia misy vokatra 3 vaovao nanaovana fanadihadiana hiarovana ny Indostria Malagasy dia ny menaka fampiasa amin’ny milina, ny menaka sakafo ary ny savony vaingany izay handraisana fepetra fiarovana. Ankoatra izay dia efa nahafahana namaha olana ihany koa  ny fanadihadiana natao tamin’ny orinasa Socolait. Efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanadihadiana ireo vokatra ireo ary efa maro sahady ny orinasa nandraisana fanapahan-kevitra. Ho an’ny fanafarana ny menaka fampiasa amin’ny milina dia 19% ny tataon-ketra eo amin’ny fanafarana azy. 34% kosa ny fanafarana savony ary 21% ny fanafarana ny  menaka sakafo. Ankoatra izay, tratran’ny fepetra “anti-dumping” ny avy any Malezia ary misy ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fanondranana rononomandry mankaty izay nanaovana tataon-ketra 38%.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana