Dans la mme rubrique

Fanamboarana ny Lakandranon`i Pangalana Hisy akony tsara amin’ny toekarena

16/09/2019

Mponina 3 tapitrisa no hisitraka izao tetikasa izao, avy amin’ny kaominina Toamasina, Ambila Lemaitso, Andevoranto, Vatomandry,

Fanamboarana ny Lakandranon`i Pangalana Hisy akony tsara amin’ny toekarena

Hamaky ny tohiny...

Hetsika FIA andiany fahatelo Sahirana amin’ny lalam-barotra ny orinasa Malagasy

13/09/2019

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Zone forello Tanjombato ary haharitra efatra andro ny Foara iraisam-pirenen’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono FIA andiany fahatelo.

Hetsika FIA andiany fahatelo Sahirana amin’ny lalam-barotra ny orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Teknolojia avo lenta Mbola vitsy ny orinasa sahy miroso

13/09/2019

Tanteraka omaly tetsy amin’ny La Vallée Ampahibe ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny orinasa mpamatsy vola Miarakap sy ny Hairun Technology.

Teknolojia avo lenta Mbola vitsy ny orinasa sahy miroso

Hamaky ny tohiny...

Tanora sy ny fandraharahana Tena ilaina ny fisian’ny Banky

12/09/2019

Miainga amin’ny tanora ny fampandrosoana ny firenena ary maro amin’izy ireny no manana tetikasa saingy olana hatrany ny fahazoana famatsiam-bola.

Tanora sy ny fandraharahana Tena ilaina ny fisian’ny Banky

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina Ho entitra ny fanaraha-maso

11/09/2019

17 ny isan’ny seranana eto Madagasikara ary 7 amin’izay no misehatra eo amin’ny iraisam-pirenena.

Fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina Ho entitra ny fanaraha-maso

Hamaky ny tohiny...

Vitrine du Vakinankaratra Tanjona ny fikarohana lalam-bokatra

11/09/2019

Hisongadina indray ireo vokatra mampalaza an'i Vakinankaratra amin’ny ny hetsika « Vitrine du Vakinankaratra » andiany faha-22 izay hotontosaina rahampitso 12 septambra ka hatramin'ny 14 septambra 2019 ho izao. Hatao manoloana ny Gara izany ary hampirantiana tranoheva miisa 200.

Vitrine du Vakinankaratra Tanjona ny fikarohana lalam-bokatra

Hamaky ny tohiny...

Nikela eto Madagasikara Nihem-bidy nefa nampidi-bola

10/09/2019

Nahitana fitomboany 24,2 tapitrisa dolara ny vola nampidirin’ny fanondranana Nikela tao amin’ny kitapombolam-panjakana nandritra ny 3 volana voalohan’ity taona 2019 ity raha ny tatitra navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara (BFM).

Nikela eto Madagasikara Nihem-bidy nefa nampidi-bola

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Hetsika goavana « Haona Fi 2019 » Eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny fotoana

23/08/2019

Hatao ny 30 aogositra hatramin’ny 2 novambra eny amin’ny Village voara ny hetsika goavana « Rodorodo Haona Fi 2019 » andiany faharoa, karakarain’ny foibe FJKM (Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara),

 

 

 

hisokatra amin’ny olon-drehetra tsy ankanavaka. Ho hita ao ny hetsika ara-pilazantsara, ara-java-kanto, ara-tsosialy, ara-barotra,… raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM Pasitera Radimisaona Jonah.  Hisongadina ny lafin-javatra 3 dia  ny Fitoriana amin’ny lafiny rehetra : zava-kanto, hirahira, tenin’Andriamanitra ; fifaninanana tenin’ny soratra masina, fialamboly iarahana amina mpanakanto fanta-daza,… Faharoa ny asa sosialy ahitana ny ara-pahasalamana, arak’asa, fampianarana sy tantsoroka (formation). Tsy hohadinoina ny resaka ara-barotra amin’ny alalan’ny Tsenabe, ka tranoheva manodidina ny 200 no homanin’ny mpirakarakara hampirantiana ny vokatry ny tany, ny asa tanana,… ka mbola afaka manatona eny amin’ny Foibe FJKM Ifanomezantsoa Analakely ireo te handray anjara. Hisy ny fitiliana diabeta, areti-maso, nify, VIH/Sida, fanolorana ra, acupuncture, homamiadan’ny nono, homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza. Misy sarany 5.000Ar ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza sy ny nono ka misoratra anarana mialoha any amin’ny fitandremana na eny amin’ny Foibe FJKM ireo hanao, raha toa ka maimaimpoana avokoa ireo fitiliana hafa. 10.000Ar kosa izany raha eny amin’ny Village Voara vao manoratra anarana.  Hanolotra fiofanana isaky ny hariva ny mpikarakara. Ny andro voalohany dia momba ny “leadership Chretien”, faharoa ny “entreprenariat au féminin”, ary ny “agri-business” na fampianarana ny olona hanorina orinasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Hisy ny tolotr’asa eny an-toerana ka mila mitondra “CV” ireo liana satria efa misy tompona orinasa manao tolotra ao, ary raisina raha mahafeno ny fepetra. 500 eo hatreto ny tolotr’asa efa vonona. Hisy ihany koa ny fisian’ny fifaninanana mamily fiarakodia ny sabotsy, arahina famaliana fanontaniana ara-tsoratra masina,… Tamin’ny herintaona dia 10.000 ny isan’ny mpitsidika, fa amin’ity kosa dia 30 000 eo no andrandraina ho tonga, ka manentana ny rehetra ho avy izahay, hoy Rtoa Disaine Lala, komitin’ny Haona Fi.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana