Dans la mme rubrique

Talen`ny Tranompirintim-pirenena Nesorina fa sahy niteny ny marina ?

13/09/2019

Nivoaka nandritry ny filankevitry ny minisitra ny 11 septambra lasa teo fa voatendry ho Talen’ny Tranompiritim-pirenena Rajaofetra Andry Nirina araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

Talen`ny Tranompirintim-pirenena Nesorina fa sahy niteny ny marina ?

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-taratasy Ahiana hifandramatra ny samy mpino Silamo

13/09/2019

Ahiana hivadika zavatra hafa ny olana misy eo amin’ny samy mpino Silamo.

Olana ara-taratasy Ahiana hifandramatra ny samy mpino Silamo

Hamaky ny tohiny...

Distrikan`Avaradrano Hahazo lapan’ny fitsarana eny Ambohitrabiby

12/09/2019

Tontosa ny 10 septambra lasa teo, ny fametrahana ny vato fototry ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny Distrikan’Avaradrano,

Distrikan`Avaradrano Hahazo lapan’ny fitsarana eny Ambohitrabiby

Hamaky ny tohiny...

Pasipaoro diplaomatika Natokana ho an'ireo olom-panjakana ambony ihany

12/09/2019

Araka ny fanapahan-kevitra navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) lah° 16-HCC / D3, tamin'ny 05 septambra 2019, mametra ny fitsipika anatiny ifampifehezan’ny Antenimieram-pirenena, voatsiahy ao amin’ny fanapahan-kevitra navoakan’izy ireo lah° 07-HCC / D3, tamin'ny

Pasipaoro diplaomatika Natokana ho an'ireo olom-panjakana ambony ihany

Hamaky ny tohiny...

Fitandroana ny filaminana tamin’ny Papa nandalo Nahomby, hoy ny tafika

12/09/2019

Nanao tomban’ezaka nandritry ny fitandroana ny filaminana tamin’ny fandalovan’ny Papa Fransoa teto Madagasikara tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava omaly ny avy eo anivon’ny tafika Malagasy tamin’ny alalan’ny Emmonat ary notronin’ny avy eo

Fitandroana ny filaminana tamin’ny Papa nandalo Nahomby, hoy ny tafika

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra teny Soamandrakizay Hanadihady ny fiadidian’ny Repoblika

12/09/2019

Taorian’ny fitarainana nataon’ireo mpivarotra hani-masaka teny Soamandrakizay ny faran’ny herinandro teo noho ny fatiantoka nahazo azy ireo dia namaly avy hatrany ny teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika omaly.

Mpivarotra teny Soamandrakizay Hanadihady ny fiadidian’ny Repoblika

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana fanarenana ara-batana Vitsy ireo mpisehatra

12/09/2019

Toy ny fanaony isan-taona dia nanatanteraka ny kaongresy faha-11 tetsy amin’ny St Michel Amparibe tao anatin’ny 11 taona nisiany ny fikambanan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fanarenana ara-batana na Akima.

Fitsaboana fanarenana ara-batana Vitsy ireo mpisehatra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fitifirana teny Ampefiloha Nokianin’ny mpahay lalàna

27/08/2019

Hita teo anivon’ny haino aman-jery sy tambajotran-tserasera samihafa, hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza, ny fitifirana sy fanenjehana olona saika hanao heloka.

 

 

 Marihina fa samy fehezin’ny lalàna ny rehetra ary marina fa natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana ary antony hanakaramana sy hamatsian’ny fitondram-panjakana fitaovana azy izany. Tsy mora sy mihatra aman’aina ny asany. Misy foana anefa ny apetraky ny lalàna na ny « présomption d’innocence » izay midika fa tokony hotsaraina sy saziana izy raha meloka ary misy koa fepetra amoahana azy raha tsy izay. Eo koa ny atao hoe fanajana ny zon’olombelona. Tokony hisy fanadihadiana misokatra atao fantatry ny vahoaka malagasy foana amin’ny toe-javatra toy ireny ary tsy vao tranga androany io fa efa nisy ny raharaha Antsakabary sy ny fanafoanana rafitra na « unité spécialisé », ohatra, hoy izy, vokatr’izany. Raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo na Olala, kosa dia mbola heverina ho tahaka ny tsy diso ny olona iray rehefa tsy misy didim-pitsarana mahazo azy. Na ho an’ireo firenena mbola mampihatra ny fanamelohana ho faty aza dia mbola mampihatra io resaka « présomption d’innocence » io. Misambotra sy manao fanadihadiana ary mandefa any amin’ny fitsarana no azo atao ary ny eto amintsika satria efa nifanaraka tamin’ny firenena mikambana isika fa hanafoana ny fanamelohana ho faty dia fanagadrana mandra-pahafaty, hoy izy, no nanoloana azy fa tsy famonoana mivantana. Fahadisoana hatrany kosa, hoy izy, ny famonoana olona. Ary amin’ny tranga toy ireny nisy teny Ampefiloha ireny aza dia mbola lanjaina koa hoe fitaovam-piadian’iza no nahery vaika. Iombonan’izy mirahalahy ireto moa fa misy ny sazy natokana ihany koa ho an’ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy ary arakaraka ny haben’ilay hadisoana no hanasokajiana azy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana