Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Lalao Ravalomanana « Aza fahanana lainga ny vahoaka… »

28/08/2019

Betsaka ny resaka mandeha sy ny fanaratsiana ary ny lainga izay toa mampihomehy ihany satria ny samy Malagasy dia tokony hiray hina sy hampiseho fiaraha-miasa hanarina amin’ny maha « Soa iombonan'ny Malagasy an'Antananarivo Renivohitra »,

 

 hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana omaly.  Nambarany fa betsaka ny zava-bita eto Antananarivo manakaiky ny vahoaka saingy maro isika no tsy manaraka fitsipika, ka takon’ny ratsy ny tsara ary misy ihany koa ireo miezaka manely tsaho hanakonana izany. Tsy tokony hiaina amin’ny honohono isika Malagasy fa tsy mampandroso izany ary mila hazavaina aminy ny marina, hoy ny ben’ny tanàna. Nohazavainy fa ny fanapahan-kevitra rehetra raisina, dia miainga ao amin’ny Filankevitra monisipaly ary mbola misy kaomisionina mitsangana aorian’izay fa tsy ny ben’ny tanàna akory no manapatapaka fahatany na manapatra fahefana. Miantso hatrany ny SAMVA hanatontosa ny andraikiny amin’ny fanadiovana an’Antananarivo ny CUA. Efa voaloa ara-dalàna tamin’ny SAMVA ny vola tokony ho naloan’ny CUA amin’ny fitaomana ny fako, hoy Andriamasinoro Tahiry Ny Riana Sekretera Jeneralin’ny CUA. Atao tsikelikely ny fanalana ireo mpivarotra eny amoron-dalana fa tsy vita indray mandeha izany, ary ny zavatra vonjimaika ny resaka fanoritana ny arabe, izay fandaminana noraisin’ny boriborintany fahatelo manokana, raha ny fanazavany.

 

Amin’ny mpampiantrano an’Antananarivo, dia nihaona tamin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teny amin’ny Lapan’ny tanàna ny solontenan’ny “Nonce Apostolique” nanatitra sy nanazava ny fandaharam-potoanan’ny Papa mandritra ny fandalovany eto tsy ho ela.

Toky R

    

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana