Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Nanafika sy nitifitra mpiandry omby Olona 3 nidoboka am-ponja ao Ambatolampy

28/08/2019

Manaraka fitsaboana ao Antsirabe ilay mpiandry omby voatifitra.

 Nadoboka am-ponja vonjimaika ao Ambatolampy ireo jiolahy nangalatr’omby nandrasana teny an-tanety sy ilay mpivarotra basy nentin’ireo malaso nanafika. Io ny fampitam-baovaon’ny zandary ao Antanifotsy tamin’ny tafa manokana omaly atoandro. Notsindrian’ity mpitandro filaminana ity fa tamin’ny zoma teo no niakatra teo amin’ny fampanoavan’ny Fitsarana Ambatolampy ny raharaha. Tsy misy ahiana kosa ny ain’ilay voatifitra. 

Voasakana mantsy ny fikasan-dratsin'ireto dahalo roalahy izay nangalatra omby noho ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny zandary sy ny fokonolona. Tao Marovahoaka, fokontany Ambatolampikely, kaominina Ambatomiady, distrika Antanifotsy no niseho ny halatra. Omby roa nandrasan'ny tompony no nalain'ireo dahalo. Notifirin'izy ireo ilay mpiandry omby ka voa teo amin'ny tarehiny. Niantso ny zandary avy hatrany ny fokonolona ka tonga nijery ny zava-nisy ny zandary tao amin'ny “Poste fixe” Ambatomiady.

Natao ny fanarahan-dia niarahana tamin'ny fokonolona ka tsy lasa lavitra akory dia tratra ireo olon-dratsy. Tratra teny aminy niaraka tamin'ny omby roa nangalariny ny basy “pistolet” vita gasy  sy ny bala  “chevrotine calibre 12”, efa nipoaka ny iray izay nitifirany ilay mpiandry omby. Voasambotra ihany koa ny olona fahatelo izay nividianana ilay basy.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana