Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitrandrahana volamena antsokosoko Sinoa 9 voasambotra ny polisy

22/08/2019

Efa noraisin’ny mpitandro filaminana mikasika ny harena ankibon’ny tany na ny “police des mines” faritanin’i Toliara ny tohin’ny raharaha mahakasika ireo sinoa roa vavy sy fito lahy

 

 

tra-tehaka nihady volamena tsy nahazoan-dalana, raha ny fampitam-baovao manokan’ny mpitandro filaminana ao Betioky. Tsiahivina fa teratany sinoa miisa 9 no indray voasambotry ny polisy ao amin’ny Service Regional de Renseignement, de Contrôle de l’Immigration et Emmigration (SRRCIE) Toliara tany amin’ny kaominina Lazarivo, disitrikan’i Betioky Atsimo tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanao fisafoana tany amin’ny kaominina Lazarivo ny polisy no nahita teratany Sinoa mampiasa mpiasa gasy mitrandraka volamena. Nanatona teny avy hatrany ny mpitandro filaminana saika hanamarina ireo antontan-taratasy mahakasika io fitrandrahana volamena io. Tsy nisy taratasy velively milaza fa afaka mitrandraka volamena ilay sinoa ka nentina natao fanadihadiana tany amin’ny paositry ny polisy. Tamin’izany no nahalalana fa manao fitrandrahana an-tsokosoko io sinoa io ary rehefa nandeha ny famotorana dia sivy no indray voasambotra. Fantatra ihany koa fa fahazoan-dalana hizaha tany na « visa touristique » no ananan‘izy ireto kanefa zavatra hafa no ataony eto Madagasiakara.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana