Dans la męme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Roa vavy mpanao trafikam-bolamena Niara-nidoboka amin’ireo saika handroba

29/08/2019

Nisy olona telo lahy nikasa handratra ireo roa vavy nangalatra bolongam-bolamena.

 

 Nahatraran’ny mpitandro filaminana fitaovana tahaka ny tady sy fehivava ary zavatra hafa izy ireo. Niakatra fampanoavana tamin’ny herinandro ny raharaha ary samy miandry ny fitsarana azy any am-ponja izy 5 ireo raha ny tafa manokana tamina loharanom-baovaon’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana. Etsy an-daniny, mitantara ny tranga sy ny vokatry ny fanadihadiana ny seraseran’ny polisim-pirenena fa ireo roa vavy no voasambotry ny polisy misahana ny sisin-tany miasa tany amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Nosy-Be Hell ville, ny 22 aogositra 2019 teo noho ny resaka fanondranana an-tsokosoko “Lingo d’or”.

Mpiasa amina fitaterana ana habakabaka iray izy roa vavy ireto ary nitondra “lingo d’or” haondrana any ivelany. Efa misy olona miray tsikombakomba aminy mpanatitra ilay entana eny amin’ny seranam-piaramanidina ka izy roa vavy mpiandraikitra ny fanadiovana no mitondra izany ao anatin’ny fiaramanidina ary apetrak’izy ireo ao amin’ny toerana fidiovana. Efa fanintelony amin’izao izy ireo no nanao io asa ratsiny io ary karamaina 2 000 000 ariary isaky ny fanondranana. Mitohy ny fanadihadiana ho an’ireo mpiray tsikombakomba amin’izy roa vavy sy iretsy telo lahy nikasa handratra azy ireto.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana