Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rodoben’ny mpanohitra « Idio ny Base Toliara ! »

02/09/2019

Nanao ny tatitry ny fidinana ifotony vitany tany Toliara omaly ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Toliara,

 

 Ny pasitera Edouard Tsarahame. Araka ny nambarana dia miisa 3 ireo toe-draharaha tena mampikolay ireo mponina any amin’ity faritra ity dia ny mikasika ny zava-niseho tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote farany teo no voalohany satria dia nahagaga ireo mponina, hoy izy, ny nahita ny fahalanian’ireo olona tsy nofidiany akory. Mamparary fo, hoy izy, ny ataon’ny CENI ary tsy mahasoa raha mbola atao letrezana ihany io fifidianana io. Amboary aloha ny lisi-pifidianana ary ataovy mazava ny sata mifehy ny fifidianana. Faharoa, mahagaga koa fa be loatra ny mpitandro filaminana sy olon-tsotra matin’ny basin’ireo dahalo. Avy aiza ireo fitaovam-piadiana ireo, hoy izy, ary mampametra-panontaniana hoe natao inona izany ireo fitaovam-piadiana nampahafantarina teny amin’ny CCI Ivato. Nanamafy izay voalaza izay moa ny sekretera jeneralin’ny RMDM sady mpahay lalàna iraisampirenena, Arlette Ramaroson, raha nilaza fa ny tenany manokana aloha dia tsy mbola nahita na Drone na Angidimby nisidina tany kanefa raha nampiasaina ireny, hoy izy, dia efa ripaka ireo dahalo. Fahatelo, farany, ny mikasika ny fitrandrahana Fasimainty ataon’ny orinasa Base Toliara. Tsy misy manohitra ny fampandrosoana an’i Toliara, hoy ny filohan’ny RMDM Toliara kanefa mampitaraina ireo mponina ny zava-mitranga ateraky ny fitrandrahana ka mangataka amin’ny fitondram-panjakana izahay hampiato io tetikasa io. Heveriko, hoy ny mpahay lalàna iraisampirenena, Arlette Ramaroson fa tokony hisy ny IEI na fanadihadiana momba ny voka-dratsy aterak’io orinasa io amin’ny tontolo iainana satria misy ny filazana fa tsy misy vokatra simika ao. Izany Zircon izany anefa, hoy izy, raha ny nambaran’ireo manampahaizana dia misy “Uranium” ary miteraka “Radioactivité” ka mitarika amin’ny fahasamponan’ireo zava-manan’aina manodidina ilay fitrandrahana. Izany, hoy izy, no antony nandavan’ny amerikanina ny fitrandrahana toy io. Ny Akoho lasa miisa 4 ny tongony, ny zaza teraka sampona sy ny loza hafa satria miparitaka io “Radioactivité” vao mikasika rivotra sy vovoka. Miangavy ny filoham-pirenena izahay,  noho izany, hoy izy, Idio ny Base Toliara dia avy eo mijery izay fomba hanorenana azy toy izay hanao sorona ny vahoaka.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana