Dans la męme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiantsonana tamina vavahady Fiara 4X4 nanidy ny lalan’ny mpandevina teny Mahamasina

02/09/2019

Fiara tsy mataho-dalana iray nibahana vavahadin’olon-tsotra teo Ankadilalana Mahamasina. Nikasa hitondra fiara handeha handevina ireo fianakaviana voahidy tao kanefa tsy tafavoaka. Ireo

 

 

 

mponina tao anaty faritra aza voatery mananika tamboho na miakatra eo amin’ilay fiara ka voatery manao pataloha avokoa na lahy na vavy. Niteraka resabe tamin’iny faritra iny ity fiarakodia ity. Voatery nampiasa mpitandro filaminana roa ny polisy nandrindra ny

fifamoivoizana teo an-toerana ny sabotsy tontolo teo noho ny haterin’ny lalana. Amboarina mantsy ny an-kilan’ny arabe ka tsy mahazaka ifanenana ny arabe mampitohy an’i Mahamasina sy

Tsimbazaza. Araka ny fanadihadiana an-gazety, efa ny zoma alina tamin’ny 9 ora sy sasany tany io fiara io no tsy tafakatra ka nihemotra ary io naka sisiny nifanerana tamina vavahady io. Araka ny loharanom-baovao teny an-toerana, mamo toaka ilay tovolahy kely mpamily ny zoma alina ka izay no ahiana tsy nahatafakatra io fiara io ho any Ankadilalana sy tsy nahatazananay ilay vavahady. Mitaraina fatratra koa ny mponina ambanin’ny zandary iny izay efa tery ny lalana nefa bahanan’ny fiara vitsy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Namana mpanao gazety iray hamonjy ny asany koa voahidy tao niaraka tamin’ny fiarany.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana