Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanonerana nandritra ny krizy politika Miankina amin`ny fanjakana ny tetibola…

04/09/2019

Ny fitoniana, ny fandriampahalemana ary ny fifidianana ben`ny tanàna no hifantohan`ny asan`ny komitin`ny fampihavanana Malagasy (CFM) mandritra ny fivoriana fahatelo izay nanomboka ny 02 septambra lasa teo.

 

 

Hodinihana mandritra ny iray volana sy handraisana fanapahan-kevitra ao anatin`izay fe-potoana izay ny momba ireo fangatahana miisa 1 300 ho fanonerana sy famotsoran-keloka ary fangatahana fanalana sakana amin`ny fanondrotana grady izay nataon`ireo olona niharan’ny krizy politika teto Madagasikara teo anelanelan`ny taona 2002 hatramin`ny 2013. Hisy olona maromaro hahazo famotsoran-keloka sy hahazo fanafoanana ny sakana amin`ny fanondrotana ny grady. Tsy mbola misy kosa ny tetibola avy amin`ny fanjakana hahafahana manao ny fanonerana ary miankina amin`ny fitantanam-bola ataon`ny fanjakana rahateo ny vola omena an`ny CFM. Manantena koa izy ireo fa hisy vokany ny toromarika nomeny ho an`ny governemanta amin`ny hanatsarana ny fitantanana ny firenena. Asa goavana no miandry ity rafi-panjakana ity amin`ny fivoriana fahatelo. Tao anatin’ny roa volana dia betsaka ihany koa ny asa vitan`ny CFM araka ny voatondron`ny lalàna mifehy azy ireo. Notanterahina tamin`ny 26 jolay teto amin` ny lapan` ny fampihavanana ny lanonana ofisialy nanolorana ny asan`ny komitin`ny fampihavanam-pirenena nandritra ny taona 2018.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana