Dans la męme rubrique

Hafatr’i Papa Miandry ny akony amin’ny mpitondra ny WWF

13/09/2019

Tokony hisy akony eo anivon’ny fitondram-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny WWF Madagascar,

Hafatr’i Papa Miandry ny akony amin’ny mpitondra ny WWF

Hamaky ny tohiny...

Mpino teny Soamandrakizay Maro ireo niakatra tosidra tampoka

13/09/2019

Nahatratra 1.653 ireo olona narary teny Soamandrakizay vokatry ny vovoka sy ny hatsiaka raha araka ny tatitra ofisialy nataon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly.

Mpino teny Soamandrakizay Maro ireo niakatra tosidra tampoka

Hamaky ny tohiny...

Fivondronamben'ny Eveka Nitondra fisaorana mitafotafo ho an`ny rehetra

11/09/2019

“Namafy fiadanana sy fanantenana teto amintsika ny Papa Ray Masina tamin'ny alalan'ny famangiany, ny hafatra nomeny, tamin'ny Eokaristia notarihiny teo anatrehan'ny vahoaka iray tapitrisa avy amin'ny Diosezy 22 sy avy amin'ny lafivalon'ny Nosy,

Fivondronamben'ny Eveka Nitondra fisaorana mitafotafo ho an`ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Papa Fransoa Nandao an’i Madagasikara omaly

11/09/2019

Nandao tanteraka an’i Madagasikara omaly talata 10 septambra ny Ray masina Fransoa, hitodi-doha ho any Vatikana any Rôma.

Papa Fransoa Nandao an’i Madagasikara omaly

Hamaky ny tohiny...

Fivondronan’ny mpino Silamo Miandrandra firaisankina sy fampihavanana amin’ny Kristianina

10/09/2019

Nampiray ny fikambanana maro samy hafa, ny antoko politika samy hafa firehana ny fahatongavan’ny Papa Fransoa, nandritra ny fivahinianany apostolika nataony teto amintsika.

Fivondronan’ny mpino Silamo Miandrandra firaisankina sy fampihavanana amin’ny Kristianina

Hamaky ny tohiny...

Mafonja ny hafatry ny Papa Fransoa MihavĂ na, reseo ny kolikoly !

09/09/2019

Ny sabotsy maraina teo no nihaona tamin'ireo manampahefana isan-tsokajiny, teny amin'ny lapan'Iavoloha ny Papa Fransoa. Tamin’izany no nisy lahateny ofisialy voalohany, hatramin'ny nigadonany omaly teny Ivato.

Mafonja ny hafatry ny Papa Fransoa MihavĂ na, reseo ny kolikoly !

Hamaky ny tohiny...

Lamesa teny Soamandrakizay Natrehana mpino efa ho 1 tapitrisa

09/09/2019

Tomefy olona ny kianjan' i Soamandrakizay ary tanaty hafaliana no nandraisan' ireo mpino katolika ny Papa Fransoa teo am-pahatongavany. Fotoan-dehibe tokoa satria ny Papa Ray Masina no nitarika ny fotoam-pihavanana.

Lamesa teny Soamandrakizay Natrehana mpino efa ho 1 tapitrisa

Hamaky ny tohiny...


Finoana

Papa Fransoa Ireo teboka lehibe hivoitra mandritra ny fitsidihany

05/09/2019

Sambany hatramin'ny taona 2105 no hiverina aty Afrika ny Papa Fransoa. Manomboka amin'ny 4 -10 septambra 2019 ny fitsidihana hataony dia i Mozambika, Madagasikara ary Maorisy.

 

 

 

Hanantitrantitra ny momba ny fahantrana sy ny ady amin'ny kolikoly izy ary hiantso filaminana sy zotom-pinoana.  Mandritra ny fitsidihana faha-31 ivelan`i Italia dia i Mozambika (lah. faha-07) sy Madagasikara (lah. faha-05), anisan`ny mahantra indrindra maneran-tany no nofidiany. Ny antsasaky ny Mozambikanina dia miaina ao anaty fahantrana tanteraka (latsaky ny 1,90 dolara isan’andro). Tahaka izay koa ny ¾ ny Malagasy. I Maorisy kosa no an-dalam-pandrosoana raha 10%-n`ny mponina ao aminy no miaina anaty fahantrana. Hiompana amin`ny teboka miisa telo ny tena vontoatin`ny diany dia ny fahantrana, kolikoly ary ny sotasotam-piarahamonina. Ho an’ny ao Maorisy, ohatra, dia noho ny fialan`ny filoham-pirenena teo aloha tamin’ny taona 2018, noho ny raharaha kolikoly. Miantso ho amin’ny fahamendrehan`ny rehetra koa ny fitsidihana. Hisy, noho izany, ny fitsidihana ireo akany ho an`ireo olona sahirana toy ny ao Zimpeto-Maputo sy Akamasoa- Andralanitra Antananarivo.

 

Fifanarahana ara-pilaminana manan-tantara

Ny teboka anankiray tsy maintsy hivoitra mandritra ity fitsidihana ity ihany koa dia ny « filaminana ». Ho an`i Mozambika, ny filaminana dia hiaraka amin`ny fampihavanana sy ny fanantenana. Iray volana lasa izay dia nisy fifanarahana tao amin`ity firenena ity, teo amin`ny governemanta sy ny “ancienne rebellion”, ka hanan-tantara ny fahatongavan`ny Papa any. Io fifanarahana io dia nampiato tanteraka ny ady sivily izay naharitra 20 taona. Ho an`i Madagasikara indray dia momba ny herisetra. An-taonany maro no nisian’ny fitokonana, fikomiana… teto, izay mifandraika amin`ny fahantrana, noho ny krizy politika mateti-pitranga. Ny volana aprily, mey, jona 2018 dia nahitana fidinana an-dalambe, izay nitakiana ny fametraham-pialan`ny governemanta, hirosoana tamin`ny fifidianana filoham-pirenena. Tontosa io ary nanaraka ny fifidianana solombavambahoaka. Mahakasika izay filaminana izay ihany koa ny ny finoana. Sesilany tato ho ato ny asa fampihorohoroana tany Mozambika, nataon’ireo “islamistes”. I Maorisy kosa dia afaka mampiseho ohatra, noho ny fahaizana miara-monina eo amin`ireo “hindous” (50%-n`ny mponina), katolika (25%) ary silamo (1/5).

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana