Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ramalanjaona Maminiaina Kandida Ben’ny tanàna ao Anosizato Andrefana

06/09/2019

Ramalanjaona Maminiaina, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady efa mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina Anosizato Andrefana no kandida Ben’ny tanàna hatolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ity kaominina iray ity.

 

 

Efa tonga any  am-pelatanany ny taratasy fanendrena azy handray anjara amin’ny fifaninanana  hatao ny 27 novambra ho avy izao raha ny resaka nifanaovana taminy omaly. Anisan’ny tombony ho azy ny fananany traikefa amin’ny maha mpanolotsaina azy eo anivon’ny kaominina Anosizato Andrefana. Efa manana teknika sy paikady hahafahana mampandroso ny tanàna ihany koa ny tenany ka vonona ny hitondra avo ny fanevan’ny antoko TIM sy ny kaominina izay hotantanany. Anisan’ny asa maika hotanterahiny ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka raha vantany vao tonga soa aman-tsara eo amin’ny toerany izy. Lohalaharana amin’ireny ny fividianana fiara mpitondra marary  izay omeny hotapahan’ny mpanolotsaina. Betsaka mantsy ireo olona sahirana rehefa manana ny marary tsy maintsy entina miditra hopitaly. Toraka izany ihany koa ny famatsiana rano fisotro madio. Ekena, hoy izy fa maro renirano mandalo eny Anosizato Andrefana ary efa nanana minisitry ny rano ihany koa ity kaominina ity tamin’ny fotoan’andro saingy mbola hilaharana amin’ny 01 ora maraina hatrany ny rano fisotro madio ao amin’izy ireo hatreto.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana