Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vavahady Soamandrakizay Ora efatra no lany tamina 1km

09/09/2019

Avy eo amin’ny vavahadin’ Androhibe natokana ho an’ny manampahefana mihazo ny fidirana izay 1km avy any Antanandrano nandaniana ora efatra mahery.

 

 

 

 Io no lazon’ady

nampikolay ireo mpino tonga nivavaka nanatrika ny sorona masin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay, omaly maraina.“Avy etsy amin’ny vavahady ambony Androhibe mankeny amin’ny vavahady ambany avy aty avaratra no nandehanana an-tongotra nandritra ny ora efatra mahery. Izahay anefa avy any Anosizato nihazo an’Androhibe, ora efatra teo koa. Tamin’ny sasakalin’ny sabotsy hifoha alahady izahay no niala tany Anosizato, tonga teo amin’ny vavahady ambony tamin’ny 4 ora maraina. Tamin’ny 8 ora vao tafiditra tao amin’ny vavahady ambany. Soa ihany fa tsy nosavaina tsirairay intsony nanomboka tamin’ny 7 ora. Io fisavana io no niteraka ilay fitohanana goavana”, hoy i Aimé Jocelyn, raim-pianakaviana. Nony tsy nosavaina tsirairay ny mpivavaka fa nampiseho ambony fotsiny ny tapakila fidirana dia nihazakazaka ireo mpilahatra ka vetivety dia nisava ilay filaharam-be nahatratra ana kilaometratra maro. Tsiahivina kosa anefa fa kanto ny fankalazana ny sorona masina tamin’ny fampanaraham-bolontany ireo hira sy dihy maha-Malagasy.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana