Dans la mme rubrique

Elakelan-tranon’Ambanidia Misy mangalatra mivarotra hatramin’ny 7 ora hariva

18/07/2020

Velon-taraina ny mponina eny Ambanidia izay monina eo anelakelan’ny tsena sy ny mpaompy manoloana ny afitsoky ny mpivarotra amina « Epicerie » iray eny an-toerana.

Elakelan-tranon’Ambanidia Misy mangalatra mivarotra hatramin’ny 7 ora hariva

Hamaky ny tohiny...

Secren Antsiranana Nalefa « congé » ny androatokon’ny mpiasa

16/07/2020

Mihodina saingy manao « service minimum » ny orinasa Secren ao Antsiranana manomboka anio, nalefa « congé payé » ny androatokon’ny mpiasa.

Secren Antsiranana Nalefa « congé » ny androatokon’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Kamanja - Anjozorobe Faty mifatotra tongotra aman-tanana hita tao anaty rano

16/07/2020

Lehilahy tokony iray, 38 taona, no hita faty tao amin’ny reniranon’i Mananara, mandalo ao atsimo andrefan’ny tanànan’Ankadivory Fokontany Kamanja, Distrika Anjozorobe.

Kamanja - Anjozorobe Faty mifatotra tongotra aman-tanana hita tao anaty rano

Hamaky ny tohiny...

Amborovy-Mahajanga Nahitana faty efa tena simba

16/07/2020

Fatin-dehilahy iray, efa tena simba, no hitan’ny olona teo amin'ny morontsiraka Maroala Fokontany Amborovy, Mahajanga.

Amborovy-Mahajanga Nahitana faty efa tena simba

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Miantso vonjy ireo mpiasa mbola mihiboka

16/07/2020

Mangataka ny mba hahafahany mivoaka sy mirihariha ety ivelany amin’izay ireo mpiasa miisa 40 mbola tavela ao amin’ny orinasa Ambatovy any Toamasina. Efa

Orinasa Ambatovy Miantso vonjy ireo mpiasa mbola mihiboka

Hamaky ny tohiny...

Sabotsy Namehana Ho taterina amin’ny fiara manokana ireo mpandray “pension”

15/07/2020

Ho fitsinjovana ireo beantitra handray ny fisotroan-drononony ao amin’ny sampana fandraisana izany ao Analamahitsy, kaominin’I Sabotsy Namehana, dia naampahafantra ny fiadidiana ity kaominina ity fa hisy ny fiara manokana amin’ny alalan’itony

Sabotsy Namehana Ho taterina amin’ny fiara manokana ireo mpandray “pension”

Hamaky ny tohiny...

Antanambao I Toamasina Mangataka ny hanalana ny sefom-pokontany ny mponina

15/07/2020

Nitokona ny mponina tao Antanambao I Toamasina omaly. Tsy mankasitraka ny hanohizan’ny sefom-pokontany ao an-toerana ny asany intsony mantsy izy ireo.

Antanambao I Toamasina Mangataka ny hanalana ny sefom-pokontany ny mponina

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Vovoka sy hatsiaka teny Soamandrakizay 1 namoy ny ainy, 15 naiditra hopitaly

10/09/2019

Renim-pianakaviana mpizaika iray 60 taona no namoy ny ainy tampoka ny alin’ny sabotsy 7 septambra lasa teo teny Soamandrakizay nandritra ny lamesa goavana niarahan’ireo mpino marobe tamin’i Papa Fransoa teny an-toerana.

 

 

 

Aretin’ny taovam-pisefoana no voalaza nahazo azy ka nandreraka azy ary tsy nahatazomana ny ainy intsony. Voalaza mantsy fa tratry ny sohika mahery (asthme suraigu) izy io, ka nindaosin’ny fahafatesana na teo aza ny ala nenina nataon’ny mpitsabo taminy. Nahatratra 248 ireo marary nozahana sy notsaboina tao amin'ny PMA (Poste Médical Avancé) teny Soamandrakizay. Ny 15 tamin'ireo voatery naiditra hopitaly, ka nisy nalefa tao amin’ny HJRA Ampefiloha, ny sasany kosa tao amin’ny HJRB Befelatanana.  Rahampitso alarobia moa vao hamoaka ny vaovao rehetra momba ny zava-nitranga teny Soamandrakizay ny mpitandro ny filaminana, raha ny fampitam-baovao farany voaray. Nirindra tsara ireo  mpivavaka nihazo an’i Soamandrakizay na dia nisy aza ny indro kely.  Nilamina ihany koa ny fivoahan’izy ireo teny an-toerana na dia naharitra ora telo vao tafavoaka teny amin’ny arabe ny rehetra. Maromaro ireo zaza very saingy efa saika nahita ny ray aman-dreniny avokoa, fa ny 3 tamin’ireo ankizy tafasaraka tamin’ny mpitondra azy no tsy nisy naka mihintsy ka voatery naterin’ny polisy tany amin’ireo relijiozy ao amin’ny « sœur capucine » Sabotsy Namehana, ka tsy fantatra mazava hatreto na efa nisy naka na mbola any. Mafy kosa ny asan’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo teny Soamandrakizay ny sabotsy sy alahady noho ny vovoka tena nitorajofo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ny namoy ny ainy isika, ary mirary fahasalamana ihany koa ho an’ireo manaraka fitsaboana.

 

Tatsy amin’ny Nosy Maorisy izay notsidihin’ny Papa omaly, dia polisy vavy iray 43 taona izay tsy tsy am-perin’asa (congé) no namoy raha ny naniry ny hijery ny Papa tao Port-Louis no sendra tsy fahasalamana tampoka teo amin’ny « Parvis » an’ny Katedraly Saint Louis, ka tsy tana ny ainy na nialana nenina aza.

Pati sy Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana