Dans la mme rubrique

Tranga hafahafa tetsy Anosibe Lehilahy roa maty teny an-kalamanjana

27/02/2020

Hafahafa ny toe-javatra niseho teny Anosibe omaly. Lehilahy roa samy hafa no samy maty tamin’ny fomba mampiahiahy.

Tranga hafahafa tetsy Anosibe Lehilahy roa maty teny an-kalamanjana

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Andrimasom-pokonolona 3000 mianadahy no hahetsika

27/02/2020

Tena mihorohoro Antananarivo, tsy ampy intsony ny mpitandro filaminana irery miasa. Averina noho izany ny andrimasom-pokonolona eto Antananarivo mba hametrahana ny fandriampahalemana,

Antananarivo Renivohitra Andrimasom-pokonolona 3000 mianadahy no hahetsika

Hamaky ny tohiny...

AMBODIN’ISOTRY Mpanendaka sy mpanao herisetra 7 no tratra, vehivavy ny iray

27/02/2020

Mpanendaka miisa fito no voasambotry ny polisy miasa ao amin'ny kaomisaria Ambodin'Isotry ny talata 25 sy omaly alarobia 26 febroary tetsy amin’ny AIGLE

AMBODIN’ISOTRY Mpanendaka sy mpanao herisetra 7 no tratra, vehivavy ny iray

Hamaky ny tohiny...

Ampefiloha Nampidirina vonjimaika eny Antanimora ilay mpanendaka tratra

27/02/2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny PPA Ampefiloha ny alahady teo rehefa avy nanendaka tovolahy teny amin’ny faritra La Réunion kely.

Ampefiloha Nampidirina vonjimaika eny Antanimora ilay mpanendaka tratra

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Mailo izao tontolo izao

27/02/2020

Hatreto dia tsy mbola nahitàna trangan`aretina « Coronavirus » eto Madagasikara, araka ny vaovao ofisialy. Nohamafisina ny fepetra fitandremana eny anivon`ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo malagasy.

Coronavirus Mailo izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

24/02/2020

Nanao fivoriam-be ny vahoaka tao amin’ny kaominina Ambatolahy, any amin’ny faritra Ihorombe ny faran’ny herinandro teo.

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

Hamaky ny tohiny...

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

24/02/2020

Mibosesika any an-tanànan’ny mpifanila vodirindrina aminy ny rano maloto avy amin’ny tanàna lehibe iray ahitana tranobe misy rihana maromaro ahofa eny Ambodivoanjo-Ivandry.

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra omby aman’ondry an-jatony tany atsimo Mandeha ny fanadihadian’ny Zandary

10/09/2019

Natolotry ny miaramilan’ny Tafika Malagasy ny zandary mpanao fanadihadiana amin’ny famotsiana sy halatra omby ary ny kolikoly ny raharaha mahakasika lehilahy iray mety ho tompon’ny atidoha amin’ny halatra omby avy amin’ny faritra telo.

 

 

 

 Araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, mitohy hatrany ny ezaka ataon'ireo miaramila mpampandry tany amin'ny faritra ZRPS Alpha, Atsimo Andrefana sy ny  ZRPS Bravo  any Miandrivazo, Morondava, Matsiatra ambony.  Omby 151, ondry 160 ary osy 105 no sarona ny 5 septambra tamina raim-pianakaviana tompon'omby efa fanta-daza fa mpanodinkodina omby halatra ao Antanimieva. Nentina avy hatrany nihazo ny toby miaramila any an-toerana moa ireo omby ireo ka atambatra amin'ireo namany efa navory ao. Ny 4 septambra kosa tao amin'ny fokontany Andolobe, tafaverina amin'ny tompony avokoa ny omby 34 nalain'ny dahalo. Izany dia noho ny fanarahan-dia nataon'ireo miaramila any an-toerana sy ny fokonolona. Mitohy hatrany  ny fiaraha-miasa amin'ny zandary hanao ny fanadihadiana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana