Dans la mme rubrique

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

17/01/2020

Nampiaka-peo ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Gérard Rakotonirina, omaly, tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga,

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

16/01/2020

Somary nanaitra ny nahita mpitandro filaminana niatrana am-bava basy toy ireny handrava sy hanakana hetsi-bahoaka ireny tetsy amin’ny Toby Ampahibe izay misy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy dia fahita matetika teny an-toerana io.

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

15/01/2020

Miitatra toy ny sima misioka ny olan’ny fampianarana. Nidina an-dalambe sy tonga nandrava ny mpianatra teny amin’ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia omaly maraina.

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna VBG Neken’ny HCC

14/01/2020

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy.

Lalàna VBG Neken’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

13/01/2020

Fito taona lasa izay, izany hoe ny 11 janoary 2012 no nanambara ampahibemaso nandritra ny lanonana fifampiarahabana tamin’ireo

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

13/01/2020

Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny handrakofana ala indray eto Madagasikara.

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

13/01/2020

Naparitaka haingana dia haingana tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nentina nilazana fa misy mikononkona fikomiana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM izay manome ny ORTM.

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Antananarivo Renivohitra Las any Papa, miverina ny gaboraraka

11/09/2019

Nilamina tao anatin’ny fotoana fohy ny renivohitr’i Madagasikara nandritra ny fandalovan’ny Papa. Nadio ny tanàna, nirindra ny fifamoivoizana, tena nihatra ny lalàna,…

 

 

 hany ka toa afaka tao anatin’ny fotoana fohy ilay gaboraraka sy tsy fanarahan-dalàna  namantarana azy sy ny manodidina. Tsy niherina akory anefa ny andro, dia manomboka miverina amin’ny laoniny toy ny teo aloha ny zava-misy, tahaka ny fitohanana lavareny. Amin’ny ankampobeny, dia ny tsy fanarahan-dalàna no mahatonga an’ireny. Tsy azo tohizana ve ilay fandraisana andraikitra sy fampiharan-dalàna hentitra? Hita teto an-dRenivohitra nandritra ny mbola naha teto ny Papa, ohatra, ny fisian’ireny fiarabe mibata sy mitarika avy hatrany ireo fiara tsy manara-dalàna manembantsembana ny fifamoivoizana. Toa misy endrika fanomezana rariny ankolaka ny tsy ara-dalàna, kanefa ireny toe-javatra sy fandraisana andraikitra natao ireny no tokony ho fanombohana ny fandaminana sy ny fanajariana. Akaiky anefa ny fifidianana, ka mety tsy te ho ratsy eo imason’ireo ampahan’olona tsy ho faly amin’ny fikitikitihana azy, ka somary mitandrina ihany koa ny mpitondra isan-tsokajiny. Maro ny hankasitraka ny tena fampiharan-dalàna sy fandaminana tsy misy henamaso mba ho tombontsoan’ny besinimaro.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana