Dans la męme rubrique

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

17/01/2020

Nampiaka-peo ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Gérard Rakotonirina, omaly, tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga,

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

16/01/2020

Somary nanaitra ny nahita mpitandro filaminana niatrana am-bava basy toy ireny handrava sy hanakana hetsi-bahoaka ireny tetsy amin’ny Toby Ampahibe izay misy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy dia fahita matetika teny an-toerana io.

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

15/01/2020

Miitatra toy ny sima misioka ny olan’ny fampianarana. Nidina an-dalambe sy tonga nandrava ny mpianatra teny amin’ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia omaly maraina.

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna VBG Neken’ny HCC

14/01/2020

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy.

Lalàna VBG Neken’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

13/01/2020

Fito taona lasa izay, izany hoe ny 11 janoary 2012 no nanambara ampahibemaso nandritra ny lanonana fifampiarahabana tamin’ireo

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

13/01/2020

Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny handrakofana ala indray eto Madagasikara.

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

13/01/2020

Naparitaka haingana dia haingana tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nentina nilazana fa misy mikononkona fikomiana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM izay manome ny ORTM.

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fanagiazana omby 1.756 any Toliara Nampiaka-peo ireo foko fito

11/09/2019

Nampiaka-peo omaly ireo foko fito any Atsimo manoloana ny fanagiazan’ny mpampandry tany ny ombin’ingahy Jaonary miisa 1.756, nanomboka ny 25 jolay lasa teo.

 

 

 Hatreto mantsy dia tsy mbola  nahitam-bahaolana mihitsy izany na dia efa nisy aza ny fidinana ifotony notanterahin’ny praiminisitra tany Antanimeva Morombe niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta ny 28 aogositra lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manaiky ny tsindry hazo lena, ary mitsipaka mari-drano ny fanamparam-pahefana miendrika fandrobana amin’ny fakana an-keriny tsy ara-drariny ny ombin’ingahy Jaonary izay ataon’ireo miaramila mpampandry tany sy dinabe rampadango ankehitriny izy ireo.  Mitaky ny fahamarinana izahay, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy, mpandrindram-paritry ny Toko be telo ka aoka tsy ampiadianareo mpitondra izahay Foko Masikoro sy ny Antandroy, ary tsy ekenay ny fanjakana tsy refesi-mandidy, fa hajao ny lalàna. Tondro-molotra ve no handrobana fananan’olona », hoy Kolonely Fanapera (manambonitra ambony nisotro ronono), mpikamban’ny FIMA (Foko Masikoro Arivolahy). Notsiahivin’izy ireo moa fa tsy miaro fahatany an’Ingahy Jaonary izy ireo fa rehefa mpangalatra sy diso kosa dia tokony hosaziana. Tsiahivina moa fa nahitana ny solontenan’ny foko Masikoro, Antandroy, Antanala, Vezo, Mahafaly, Bara ary Antanosy tao anatin’ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana